nirosoana tamin'ny hetsika sy tolona, izay niteraka firodanan'ny Fanjakana teo aloha. Toa mbola toy nofy ratsy ny zava-nitranga hoe ilay Fanjakana sy Filoha nihevitra ho amperoran'i Madagasikara nanao izay danin'ny kibony, nampiasa hery, nandatsa-dra sy nandatsaka ny amin'ny vahoaka,... no vaky nandositra tao anatin'ny fotoana fohy. Mazava ho azy fa dingana lehibe no vita, saingy tsy ny rano ritra no tanjona fa ny amalona ho azo dia ilay tena fanavaozana sy fanarenana an'i Madagasikara : toekarena, politika, sosialy, ... Tsy atao mahagaga noho izany raha misy ny vahoaka mampiaka-peo ankehitriny eo anatrehan'ireo mpanao politika isan'ny niaro sy ninia nikipy teo aloha tao anaty volomboasary no niofo ho fanavaozana. Politika io ary marina tokoa fa mety miovava ny sary, tsy afaka ny hifandrafy lava eto, fa kosa mbola tsy maina akory ny ravina nihinana ary ilay tokony hovaina indray no mijoro ho mpanavao. Tsy resaka fankahalana olona na loko politika, fa raha fahamarin-toerana politika no mety tadiavina, dia tsy mila maka lavitra fa hoe: raha nahomby ary naharesy lahatra vahoaka ireo volomboasary miofo ho fanavaozana ankehitriny, moa niongan ve ilay fitondrana teo aloha? Noho izany, izao vao tena tolona manoloana ny politika mamohehitra marolafy. Toky R