Mihamafy aloha izany ny fifampiziriziriana, raha tarafina amin’ny firesaky ny Praiminisitra Lehiben’ny governemanta mikasika ny raharaham-pifidianana omaly. Tsy rototra ary tsy te hiraharaha izay fangatahana fanamboarana ny lalàm-pifidianana izany ny eo anivon’ny fitondrana, fa dia hoe: aleo handeha amin’io. Lojika izany raha ny toerana misy azy satria raha ny rafitra mpikarakaraka sy mpitsara ny fifidianana izay mampiady hevitra tokoa aloha, na ekena aza fa nisy ny lalàna narahina tamin’ny fametrahana azy, dia tsy takona hafenina hoe: olona notendren’ny Filoham-pirenena no isan’ny mandrafitra azy, kanefa ity farany mety ho mpifaninana. Ny aty amin’ny fanoherana misy miziriziry fa tsy mipetraka noho izany ilay hoe: “fahaleovantena”, ary mitaky fitsipi-dalao mazava. Mitaky amin’ny firosoana amin’ny fifidianana ihany koa anefa! Ny fotoana mihazakazaka ka dia halefa amin’io ve ka izay hidonanany any ary izany alehany? Inona no antoka fa samy hanaiky izay vokatra eo ny rehetra sa rehefa tsy afa-po amin’ny valiny vao hitarika vahoaka an-dalambe? Misy ihany koa mantsy no manantena fa na ho ela na ho haingana, na hisy milaza azy ho mafy tahaka ny inona aza, na misy mandrangaranga basy aman-tafondro, na misy miomana amin’ny hala-bato avo lenta,… rehefa tonga ny fotoana hitsipahan’ny vahoaka azy, mirodana foana na tsy tafaverina eo foana io. Na inona na inona aloha hitranga, ny sary misy dia toa samy variana miketrika sy miady hevitra amin’ny sezany sy ny tombotsoany eo, fa ny vahoaka miha mifafa ny kihony isan’andro. Miha mahery vaika ny delestazy, ny fahasahiranana mitombo andro aman’alina, ny vidim-piainana miha sarotra, ny toekarena miha rendrika hatrany, ny tsy fandriampaalemana mitombo,… Ny mpitondra milaza ho mampandroso firenena kanefa delestazy aza 4 taona tsy voalaminy. Ny mpanohitra mba efa betsaka ihany no efa teo fa tsy nisy nahovoka ny ankamaroany. Aiza ihany izany no iantsampazan’ny Malagasy? Rahoviana vao rava ny ziogan’ny fampisaraham-bazana sy ny fitiavan-tena isan’ny mamatotra antsika? Rahoviana vao hitsahatra ny fanabadoana ny Malagasy ka hisian’ny fifohazam-panahy faobe hoe: andao hiara-hanarina amin’izay ny firenena ?
Toky R
Mbola hendry tokoa angamba no isan’ny azo ilazana azy! Mbola hendry sa reraka?
Mbola mijanona ho resaky ny moana sy ny marenina ny adihevitra politika.