airtel

Edito

30-janv-2024

Izay maha diavolana ny sainy ihany !

Manitsaka ny iray volana sy tapany

Sample post image

nitondran’ny filoha vaovao efa teo aloha isika,

30-janv-2024

izany hoe : efa hisasaka ilay 100 andro voalohany amin’izao. Hatreto, tsy dia tena misy zava-dehibe misongadina afatsy ny filazana fa hanangana «monument» goavana. Fampandehanan-draharaha aloha no misy, fa tsy dia tena misy zavatra lehibe azo antenaina. Ny tsikaritra aza mbola somokotra any amin’ny fanovana olona sy fametrahana ny akamakama, raha tarafina any amin’ireo Minisitera vao niova mpitantana. Mbola sahirana manao ny kajikajy politika hoenti-manamafy ny seza sy fahefana hoe : ahoana no hahazoana depiote sy ben’ny tanàna maro an’isa indray ? Izay olana ara-toekarena sy fidangan’ny vidim-piainana na fitotongan’ny sandam-bola any tsy misy mahataitra ny mpitondra, fa ny famerezan-dia any amin’ny laharam-pahamehana hafahafa no mahaseriny. Tsy mahatonga saina ny mpitondra ve ireny tsikera mivaivay tamin’ny resaka dabilio ireny? Tsy finiavana hanakiana, fa sarotra ny hisian’ny fahagagana raha mbola hoentina amin’ny politika madio ivelany, ka hiazakazaka any amin’ny kirendrarendra sy ny mamirapiratra na koa mijoalajoala, kanefa ny Malagasy mbola mitrosona amin’ny tany sahirana mitady izay harapaka, tsy manana asa ny maro an’isa, tsy mandry fahalemana na an-tsaha na an-tanàna,…. Tsy misy hantenaina raha mbola hoentina amin’ny samy maka ho azy, ka hafa ny manahirana ny vahoaka, ary hafa no mahaseriny ny mpitondra. Zary lasa fanesoana ny Malagasy ny famerimberenana an’ilay hoe : « Madagasikara tsy maintsy mandroso », kanefa ny laharam-pahamehana sy ny zavatra atao tsy mifanaraka amin’ny tadiavin’ilay Malagasy maro an’isa fa izay maharevorevo sy maha diavolana ny sain’ny mpitondra. Toa zary lasa mitomany randrana tsy manendrika ny tena hatrany ny politikam-pitantanana sy ny laharam-pahamehana ka tsy ny fitsaboana ny aretin’ny firenena no mahamaika fa ny hampisongadin-tena. Fositra hatrany ny tsy fahalalana sy tsy fahafehezana hoe : iza marina ity Madagasikara ity sy ny vahoaka ao anatiny ? Ny kolontsainy ? Ny olombelona ao anatiny ? Ny fandrosoana tadiaviny ? Hany ka sanatrian’ny vava toa ny aloalo na ny lakroa aloky ny fahafatesana no andeha hatsangana sy hasongadina mba ho fanomezana ho azy ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

ankolaka hatramin’ny filoham-pirenena mba hampandaniana ny kandida volombosary.

Card image cap
15-mai-2024

Ny noheverina fa kandidam-panjakana taloha any amin’ny faritra sasany lasa kandida tena lohalaharana amin’ireo

Card image cap