airtel

Edito

06-mars-2025

Kamboty ny Malagasy !

Tsy finiavana hiresaka ireo zava-dratsy na koa fambolena

Sample post image

toe-tsaina miiba ho an’ny olom-pirenena raha miresaka sy miteny ary manatsikafona ireo

06-mars-2025

tsy fanjariana mitranga eto amin’ny Firenena, fa tena tsy takona hafenina sy maso miara-mahita hoe : marary i Madagasikara, marary ny Malagasy, mandohalika ny fiarahamonina,… Tsy arakaraka ny fampiderana hery sy fahefana, fandrahonana, vava tsy ampy,… ataon’ny mpitondra ny ezaka sy asa vita hamahana ny olam-bahoaka, ny fahasahiranana, ny fahantrana, ny tsy fandriampahalemana sy ny maro hafa, fa tahaka ny kamboty tsy misy mpiahy ny Malagasy. Ny lazaina fa Raiamandreny mpiahy azy toa zary lasa lany andro amin’ny kisehoseho ivelany, lany andro manao vava tsy ambina sy mihantsy ady, tsy mahita izay tena fahoriam-bahoaka fa sasatry manamarin-tena manoloana ny tsy fahombiazany. Ny mpitondra sasany moa sahy manao teny miendrika fanesoana na fanompana ankolaka ny vahoaka aza amin’ny filazana fa tsy mahantra ny Malagasy, mandry fahalemana i Madagasikara,… Mampitsangam-bola anefa ny zava-mitranga etsy sy eroa satria raha tsy voaviravira sy vonoin’ny jiolahy mitam-basy ny vahoaka, dia viravirain’ny jiolahim-boto politika amin’ny tsy fahaiza-mitantana, kolikoly, famoretana, vidim-piainana,… Kamboty tsy misy mpiahy ny Malagasy amin’ny ankampobeny, fa zary samy manao izay hihinanany, samy miaro ny rambony tsy ho tapaka,… Tsy natao hampitolefika fa fotoana tokony hampifoha sy hanetsika ny hambo-po ho an’ny ho avy ny lalan-tsarotra tahaka izao ho an’ny olom-pirenena !
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

7 taona mahery no nitondràny amin’ny maha filohan’ny repoblika malagasy azy,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap