airtel

Edito

20-avril-2023

Edito

Kely tsy mba mamindro

Sample post image

Fomba firesaka matetika am-bavan’ny mpanao politika ny hoe: noho ny tombotsoa ambonin’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy,

20-avril-2023

ny vahoaka no tompon’ny fahefana, ny vahoaka no andrianina,… Rehefa tena zohiana anefa ny zava-misy dia ny fihatsarambelatsihy sy fanaovana kely tsy mba mamindro hatrany no betsaka, ary hay ny manao fitaovana io vahoaka io rehefa may ny endim-boanjo amin’ny fotoana akaiky fifidianana. Inona ny fampijaliana vahoaka mivantana na ankolaka tsy miseho eto ankehitriny? Ny jiro sy rano izay sokajiana ho isan’ny filàna fototra efa tsy sitrahana ara-dalàna intsony kanefa ny vidiny midangana dia midangana. Mba fantatry ny mpitondra ve fa misy faritra tsy lavitra an’Antananarivo akory tahaka ny etsy Ivato aza tsy mandeha ny rano raha tsy alahady, ary mila mifoha amin’ny 2 ora maraina. Io iaraha-mahita io ny olana ara-tsolika amin’ny tanan-dehibe sy faritra maro, ka dia miaina anaty fahatapahan-jiro tanteraka na mifandimby ny faritra maro. Ny any Ambilobe aza simba ny milina miisa telo, hany ka sady tsy misy jiro, tsy misy haino aman-jery azo sitrahana intsony, tapaka tanteraka fa tsy fahatapahana mifandimby,… Io iaraha-mahita io ihany koa ny olan’ny pasipaoro izay hampijaliana vahoaka kanefa anatin’ny zo fototry ny olona. Mba azon’ny mpitondra an-tsaina ve ny fahorian’ny olona mifoha amin’ny 1 na amin’ny 2ora maraina satria tsy maintsy hanenjika filaharana? Ny manan-katao sy ny mahitahita anefa manao kolikoly dia milamina!? Mbola endriky ny kely tsy mba mamindro ihany koa io volan’ny orinasa Malagasy nikojakoja làlana tsy omena io, ary ny kinamanamana sisa mandeha. Ampahany amin’ny fampahoriana ny Malagasy ireny, fa manginy fotsiny ity vidim-piaianana tsy voafehy, ny tsy fandriampahalemana, fihemorana ara-toakerana,… Zary mitsipozipozy sy mikoroso fahana ny firenena sy ny vahoaka, saingy mbola kotrehina hotsipazana fotsim-bary na katsaka tahaka ny akoho dia ho roboka indray. Efa lesona ho antsika kosa angamba izao zava-manjo ny firenena miantraika amin’ny isam-batan’olona izao, ka hahatonga saina ny rehetra mba hamadihana pejy atsy ho antsy e!
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap
23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap