Azo lazaina ho efa manomboka miatrika izany sahady aza isika ankehitriny raha ny fihetsiketsehana sy adilahy na krizy politika miha mafampana eto amin’ny firenena no jerena. Kihon-dalana mampanahy tanteraka rehefa jerena ny fihetsika politikan’ireo anaty fitondrana sy ny mpiaradia aminy manoloana ireo ivelan’ny fitondrana, indrindra, ivelan’ny fitondrana manamafy hatrany fa efa tafahoatra ny fandikan-dalàna ataon’ny filoham-pirenena ankehitriny noho izy ity tsy manana zom-pirenena malagasy akory nefa sahy nijanona teo nandritry ny 5 taona ity. Saika ny governemanta iraimanontolo hatramin’ireo parlemanta miloko volomboasary mihitsy moa, etsy ankilany, no miezaka mandiso izany filazana izany saingy ny mampametra-panontaniana dia hoe tsy nahavono ny afo avokoa ve ireny rehetra ireny no dia ilay filoham-pirenena mihitsy no niezaka nanazava izay rehetra heverina azony hanababoana ny fanehoan-kevitra maro indray ny alahady teo ary notronina manam-boninahitra eo anivon’ny tafika maro sy ireo lazaina fa raiamandreny ara-drazana mihitsy? Azo antoka fa tsy ho takon-javatra hafa intsony ity resaka ity ary na ho vita aza ny hampatoritory azy dia tsy haharitra fa ahiana hahery vaika mihitsy ny fifoazan’izany. Nanakoako niaraka taminy ny raharaha Fabiola saingy tsy nampatory ity resaka ity. Teo koa ny mikasika ny saram-pisoratana anarana hilatsaka ho filoham-pirenena 200 tapitrisa Ariary na 1 miliara Iraimbilanja fa dia mbola takony ihany koa. Ny minisitra mihirahira ara-bakiteny any anaty tambazotran-tserasera sy ny fanodinana saim-bahoaka hiady hevitra amina efa heverin’ny mpandinika amin’ny hoe firingana hevitra toy ny resaka hoe “iza no be mpijery?” na “iza no be “vue” saingy tsy naha voafafa izany mihitsy fa toy ny vao mainka aza mampanahy manoloana ny zava-misy! Mampanahy tanteraka!
J. Mirija
kanefa dia ireny niaraha-nahita ireny fa hipoka olona ny kianja goavambe eto Antananarivo