ny hoe mbola tsy vita ny tolona satria heverina fa tsy vitan’ny hatreo amin’ny fionganana fitondràna toy ny tranga niseho taorian’ireo fipoahana krizy nifanesy hatramin’izay intsony no tokony hitohy ao anatin’izao ambara ho fanavaozana ny repoblika malagasy izao. Nanomboka teo dia neverina ihany koa izany fa ho lalan-tsarotra no ho diavin’ny firenena satria hanova ny tsy fanjariana rehetra hita hatramin’izay tao anatin’ireo repoblika miisa 4 efa lasa no tanjona. Hanavao ilay firenena miaraka ny vahoaka manontolo fa tsy olom-bitsy na ireo mpitady seza toy ny efa hita hatrizay intsony. Mila fanjakàna matanjaka ahazoana firenena matanjaka, hoy ny iray amin’ireo mpanolontsaina manokan’ny filohan’ny fanavaozana izay. Iza moa no atao hoe fanjakàna ao anatin’ny repoblika fa tsy ny vahoaka. Mila vahoaka matanjaka izany ity firenena ity. Hampatanjaka vahoaka ve ny karazan-ketra sy sazy tsy mifanaraka amin’ny fidiram-bolany eto amin’ity firenena ity? Firenena izay iaraha-mahalala fa mbola tsy mety tafavoaka anaty fahantrana hatramin’izao aloha vokatry ny takaitra tao anatin’ny 16 taona, hoy ny filohan’ny fanavaozana. Takaitra tanatin’ny 16 na 17 taona fotsiny tokoa ve sa hatramin’ny niandohan’ny fanababoan’ny frantsay izay nolazaina fa nanjanaka ity firenena ity mandrak’androany? Tsy nitondra takaitra ve ny namoronan’ny frantsay ireo foko miisa 18, izay nanamarihany, mba tsy ilazàna hoe namoronany, toetra ratsy isam-poko toy ny hoe «merina malama loha», «betsileo jokotsoriaka», «tandroy fangalarana», «betsimisaraka hakamoana» sy ny tohiny rehetra? Tsy tokony ho tsaboina koa ve, ohatra, ny takaitra navelan’ny filazàna tamin’ny fotoan’andro fa ny antoko MDRM an’ny merina ary ny PADESM an’ny tanindrana, izay nolazaina fa tsy manan-kolovaina na «déshérité» eto amin’ity firenena ity? Aiza ho aiza ny fametrahana ny atao hoe fampihavanam-pirenena ao anatin’izany rehetra izany? Maninona no mihemo-dava ny fikaonandoha? Ny fanamafisana ireo karazan-ketra sy ny famoronana hetra vaovao toy ity TVM mampikaikaika sahady izay voakasikany ity ve no tokony ho laharam-pahamehana mialohan’izany rehetra izany? Na mbola mihemotra sy miandry lava aza angamba aloha ny tena fikaonandoha dia heverina fa tokony efa ho votoatin-dresaka azo sainina sy tsakotsakoina izany satria iaraha-miaina sy mahita hatreto fa mbola ho lalan-tsarotra izy ity!
J. Mirija