tia tanindrazana

Parution du Lundi, 27 Mars 2023

airtel

Edito

Lalaovina hatramin’ny fivavahana ?

Ny akony sisa hitoetra, ary hipetraka ho tantara ny zava-bitan’ny Barea izay nanandratra avo ny voninahi-pirenena. Tsy vitan’ny mitehin-kiho sy mibikabika ny vokatra tahaka ireny fa tena mila fikelezan’aina.

07-févr-2023

Sample post image

Tsy finiavana hanakiana sy hitsikera, fa misy no toa milalao an’ilay izy ho an’ny tombotsoa politika, hany ka lalaovina hatramin’ny tarehimarika, izay heverina fa fifandrifian-javatra ihany. Lazaina fa tsy kisendrasendra ny namonoan’ny N°13 ny baolina! Dia iny ihany koa fa nolazaina fa ny vavaka nasandratry ny Filoha no nahatsara ny andro tamin’ny alahady teo. “Nojereko avy ny orana zoma, mbola avy ny orana ny sabotsy, nivavaka sy nangataka mafy tamin'Andriamanitra aho hoe nanao ffffffffffooooooooooo, dia indro fa lasa ny orana ary tsara ny andro ny alahady nitsenaintsika ny Barea.", hoy ingahy Filoham-pirenena Atoa Andry Rajoelina. Tany amin’ny CAN ny taona 2019 efa nilaza fa naka toerana mangingiana izy tany Egipta dia nandohalika sy nivavaka ka indro fa nandresy ny Barea. Vao tsy ela raha hamboly hazo tany Ilaka Est dia nilaza fa nanjavona be ny habakabaka, fa avy eo nisava noho ny vavaka nataony,… Asa aloha hoe: firy isan-jato amin’ny vahoaka no mino izay ambarany momba ireny lazaina fa fandairan’ny vavaka ataony ireny, fa raha ny hita amin’ny tambajotran-tserasera dia betsaka ny mihomehy sy manakiana mafy. Rehefa amin’ny inona izany no mandaitra ny vavak’ingahy Filoha ary rehefa inona no tsy mandaitra satria betsaka ihany ny zavatra ilàna vavaka eto eny fa ny fitondran-tenan’ny mpitondra samihafa miainga any an-tampony aza? Rahoviana no hanandratra vavaka mba hampisy fitoniana sy hampihavana ny rehetra ary hampandroso tokoa an'i Madagasikara? Sao mba mila manao “ffffffoooooo” ihany koa dia mihena ny vidim-piainana sy fahasahiranan’ny vahoaka satria toa azo tanterahina ihany izany raha raisina amin’io toa ambara fa fahagagana nataony, raha halalinina amin’ny fomba firesany azy. Somary mampanongo tena ny maheno kabary politika hafahafa tahaka ireny indraindray hoe: tena tahaka izany ve sisa no fomba hoenti-miresaka amin’ny vahoaka? Sao sanatria atao kilalao ny fivavahana ka vao mainka miteraka ozona amin’ny firenena ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Ahodina hatrany
27-mars-2023

Mandeha ankehitriny ny tolon-drizareo frantsay ho fanoherana ny fanemorana ny taonan-dretirety. Hatramin’ny kilonga kely mbola any amin’ny kilasy ambany na ilay antsoina hoe CM,

Card image cap
Fampianaran-diso
24-mars-2023

Any amin’ny sehatry ny finoana moa no matetika andrenesana ny voambolana hoe fampianaran-diso. Ho an’ny Kristianina, ohatra,

Voir plus