airtel

Edito

27-févr-2023

Edito

Lany henatra tokoa !

Sample post image

Lany henatra tokoa angamba no hany sisa azo ilazana ny fitondrana mijoro ankehitriny! Valalanina ianao maheno ireo horonam-peo mivoaka etsy sy eroa.

27-févr-2023

Voakasika ao daholo na sivily na miaramila na mpitsara na mpitondra, rehefa heverina ho tompon’andraikitra ambony eto amin’ity firenena ity. Ny resaka fiainana manokana moa tsy hidirana loatra iny fa mampivarahontsana na izany aza ny maheno hoe na miliara aza izany izao efa misy tsy miteny intsony ao amin’ny fitsarana ao. Resaka raharaham-pitsarana heverina ho tsotsotra anefa izany. Dia hanao ahoana tokoa izany ny raharaham-pifidianana eto amin’ny tanana? Dia ho gaga ve isika raha zary lian-dra ankehitriny ny vahoaka tsy mandady harona? Efa tsy natoky ary vao mainka miha tsy matoky ilay fitsarana intsony ny vahoaka maheno tranga tahaka ireny dia ireny ny vokany. Hatramin’ny halatra katsaka no hamonoana olona any anaty fitsaram-bahoaka. Tsy halatra akoho na gana na gisa akory fa resaka katsaka. Manoloana izany rehetra izany ianao dia vao mainka kivy mbola mahita ilay filoham-pirenena izay mampametra-panontaniana koa hoe mahay ny asany ve sa tsia? Mahalala ny tokony ho ataony amin’ny maha filoham-pirenena azy ve sa tsia? Avy mandoa-bary mizara sakafo masaka amin’ny traboina ary dia manao asan’ny mpanao trano indray no ataony. Ny eo ambany fahefany amin’io tsy hita intsony izay ilazana azy hoe manao izay danin’ny kibony ve satria tsy misy mpifehy sa ilay filoham-pirenena mihitsy no manaiky ho atao angady tsy mahatapaka ahitra? Misy fanendrena sy fanesorana mpikambana anaty governemanta mipoitra tampoka avy any tsy teo imason’ilay filoham-pirenena akory kanefa dia ireny nekena ireny. Ny governora manao ny ataony. Ny ben’ny tanànan’ny renivohitra mamoha sy mamorona ity karazan-ketra ity. Anontaniana anefa hoe angaha dia tena rovitra tanteraka izao kitapom-bolan’ny “tananantsika” ao izao? Lazaina fa tsia! Ny faran’ny herinandro teo moa nisy an’iny resaka nivoy tanaty tambazotran-tserasera mikasika ny fanasaziana ireo fiara maty an-dalana iny indray ka dia andrasana indray izay ho fanazavana na enga anie mba fandisoana izany mihitsy manoloana izao fahasahiranana manafotra vahoaka izao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

hoy ny filohan’ny antoko politika MFM izay omaly. «Misy fetrany ihany ny fitondrana miorina

Card image cap
25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap