tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Edito

Mafana

Vita iny ny fitsenana. Tombanana ho eo amin’ny 3 volana eo raha farany tsy afaka angamba, hoy ny fitenin’ny tanora izay,

06-févr-2023

Sample post image

dia mbola ho Barea foana no ho hetsiketsika hezahana indray ampisongadinana izao fitondrana izao. Izay moa ilay hoe ny werawera tsy maintsy mandeha. Mbola mafana ny toe-draharaha. Mafana ny fientanam-pon’ny malagasy tsy vaky volo satria nasandratr’ireo boay kelintsika ny voninahim-pirenena. Vitsy, mba tsy hilazana hoe tsy mbola nisy angamba, izany ekipam-pirenena sambany mandray anjara voalohany amina fifaninanana iraisampirenena goavana tahaka ireny CHAN farany teo ireny ka hoe hahita laharana fahatelo sahady. Mafana iny ary inoana fa mbola hafana. Mafana ihany koa anefa etsy ankilan’izay ny toe-draharaham-pirenena. Eo ihany ny hoe akatoky ny fifidianana isika izao fa ny fiainam-bahoaka koa dia iaraha-mahalala fa miha mafana ankehitriny. Efa saiky misy mpitanisa isan’andro moa ny kaikaika manoloana ny fidangan’ny vidim-piainana, ny tsy fandriampahalemana, ny fahasahiranana samihafa. Na ny saram-pitsidihana trano fivoahana aza ankehitriny misy efa mampiakatra. Miverina heno indray any amin’ny faritra sasany any atsimotsimo any, tahaka ny tany Esiry, ohatra, ny fifamonoan’ny samy malagasy. Efa tsy krizy intsony izany fa krizy mipoaka matoa efa tonga amin’ny fifanaovana herisetra na fifampikasihan-tanana toy izay. Ireny moa ilay antsoin’ny siantifika mpikaroka momba ny otrikady na “conflit” hoe ady atsanga na “conflit déclaré” ary iaraha-mahalala fa tsy any irery intsony izao no ahenoana trangana samy malagasy mifanao toy izany satria samy malagasy daholo fotsiny koa, ohatra, ny dahalo sy zandary. Izany toe-draharaha miha mafana rehetra izany, araka izany, no isan’ny mbola mila vahana eto mialohan’ny fifidianana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Hiandry rombo vao ho taitra a !
02-juin-2023

Mihazakazaka ny fotoana, miha hatomotra ny fotoana hanaovana fifidianana raha ho voatazona amin’ilay vinana tetiandro natolotry ny vaomieram-pifidianana,…

Card image cap
Tena mahantra
01-juin-2023

Mamono miadana toy ny homamiadana ankehitriny ity fahantran-dRamalagasy ity. Tena mahantra isika ary maro no heverina fa fomba azo hanazavana azy saingy toy ny tongom-bakivaky moa izy ity,

Voir plus