airtel

Edito

24-nov-2026

Mafanafana !

Toe-draharaha maro

Sample post image

no manintona saim-bahoaka amin’izao

24-nov-2026

fotoana izao, izay mahasahana ny lafiny sosoaly sy ny lafin-javatra ara-politika. Mbola etsy amin’ny Fitsarana Anosy aloha ny ankamaroan’ny mason’izao tontolo izao eo anatrehan’ny raharaharam-pitsarana momba ny alatsinainy mainty tany Ambohimalaza ? Asa izay tena ho didy farany sy fanapahan-kevitra eo anatrehan’ny sangodim-panina maro. Tsy mahasakana ny politika tsy hafana ihany anefa izany matoa misoko indray ny resaka kajikajy toy ny fisokoan’ny ketrika fanonganana birao maharitra, araka ny vaovao sy tombatombana niparitaka omaly. Tena ho an’ny tombotsoam-bahoaka tokoa ve anefa na iza miala na iza esorina na iza haongana na iza hapetraka ? Mbola taratry ny safidim-bahoaka ve ireo andrim-panjakana sasany sa zara lalaovina ilay kisarisarin’ny maro an’isa ny fiainam-pirenena, kanefa ilay teo aloha ihany no miofo ? Tsy resaka fanenjehana olona na vondron’olona fa tena manahirana ilay fanaovana politika eto. Aiza ve ka ireo olona nanao ny tsy fanao teto no misy lasa mpanome lesona momba ny fanavaozana ny sasany. Marina fa tsy afaka ny hanao tonga namana vao mavomavo isika, saingy manahirana ihany koa ilay kisarisary politika sy fahamarinan-toerana eto, ary zava-behibe ny maka lesona amin’ny tantara. Nahoana no niongana ohatra ny Filoha fahiny Philibert Tsiranana izay lany faramparan’ny taona 1971, ary nanana ny maro an’isa tao amin’ny Antenimierampirenena fa inona no nitranga ny 1972 ? Nanao ahoana ny Fanjakana HVM izay nanana depiote maro an’isa, fa inona no niafarany ?
Toky T
 

Dans la même rubrique

23-nov-2026

Mahavariana ny maro

Card image cap