airtel

Edito

23-nov-2026

Raharaha

maro!

Sample post image

Mahavariana ny maro

23-nov-2026

amin’izao fotoana izao ny fampitàna mivantana amin’ny haino aman-jerim-panjakàna ity raharaha Ambohimalaza ity saingy heverina fa tsy azo adinoina koa ny hoe mbola misy raharaha maro izay tokony ho vahàna ankoatran’io ary misy raharaha maro hafa ihany koa nifanekena mihitsy fa iarahan’ny olompirenena tsy an-kanavaka mitady vahaolana ao anatin’izao andron’ny fanavaozana izao! Nisy raharaha namoizana aina mpiray tanindrazana hafa maro ihany koa tokoa, ankoatran’io, fa tsy sanatria manamaivana an’io raharaha iray io akory sanatria. Asa hoe nisy nahatadidy izany raharaha Antsakabary izany ve, ohatra, izay efa tany amin’ny taona 2017 sy 2018 tany, saingy mbola manjavozavo amin’ny be sy ny maro izao ankehitriny ny tena niafaràn’izany. Teo ny raharaha Ikongo. Farany teo moa nisy ilay tao Anahidrano. Trangam-piarahamonina nampivarahontsana ireny ka anefa koa heverina fa tsy tokony atao hanankona ny lalana natao hitadiavana vahaolana maharitra amin’ny sehatra rehetra mihitsy eto amin’ity firenena ity. Isika rahateo nambara foana fa tsy maintsy hanao fikaonandoham-pirenena. Ahoana ny lafiny fanarenana ara-toekarena? Ahoana no ahatongavana amin’ny taham-pizahantany tena mamelona izany fihariana malagasy izany fa tena sady mahasorena hatramin’izao ihany ny maheno hoe ny nosy rahavavy kely atsy Maorisy efa mahita paika hahatongavana mpizahantany 3 tapitrisa isan-taona eo nefa ny antsika mbola tsotsofina foana vao mahita miisa 300.000 na 350.000 sy ny manodidina an’izay? Herintaona izay no nidirana tanatin’ity hoe fanavaozana ity. Mbola adihevitra be ny mikasika ny rafitra sy lalàmpanorenana tiantsika hitantanana ny firenena na dia efa teo aza ny fikaonandoha nifanaovana sehatra maromaro angon-kevitra. Teo ny an’ny tanora, ny mpitsara, ny polisy, ny mpandraharaha, ny mpanao politika sy ny maro hafa tsy voatanisa. Heverina fa tsy azo hampatoriana izany isan’ireo raharaha maro hafa izany na dia mahamay laoka maro aza aloha ity mahavariana amin’izao ity!
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

20-nov-2026

ambany masoandro ety moa

Card image cap