Nanamarika izany ny 1947. Voamarin’ny mpahaitantara sy siantifika samihafa tao anatin’izay fa tao ambadika ny nambara ho mpanjanatany na ny frantsay. Voalaza fa ny frantsay ihany no nanapoaka 29 martsa 1947. Nitondra tany amin’ny fametrahan’ny frantsay ny repoblika voalohany sy ny filoham-pirenena malagasy voalohany teto Madagasikara izany ny 14 oktobra 1958. Nitondra ihany koa ny fanomezan’izy ireo fahaleovantena, mba tsy ilazàna hoe fahaleovantena sadasada, ny 26 jona 1960. Voalaza ho tsy nanaiky izany rafitra sadasada izany avy eo taty amin’ny taona 1970 taty ireo mpianatry ny oniversite sy tanora mpitolona tamin’ny fotoan’andro ka nitaky ny atao hoe «Fanagasiana» sy ny fanafoanana ny antsoina hoe «Sekoly miangatra». Nipoaka indray ny tolon’ny 1971, izay nomarihin’ny datin’ny 13 may 1972. Mbola voalaza ho namofompofona dian-tanan’ny mpanjanantany ihany koa. Nitohy avy eo ny taona 1991, 2002, 2009, 2018, 2025. Tolona izany ka tolona saingy androany dia mbola samy miaiky ny malagasy, hatramin’ny filohan’ny fanavaozana ny repoblikan’i Madagasikara, fa mbola tsy mahaleotena isika. Mbola miankin-doha ara-politika sy ara-toekarena, hoy izy. Tsy misy miafina intsony na amin’iza na amin’iza eto amin’ity firenena ity, araka izany, ny hoe mbola voafatotra aloha androany ity firenena ity. Mbola misy geja maro mila vahana ao vao afaka miresaka izany fampandrosoana izany isika. Vao afaka miresaka fanarenana an’ity firenena ity aza aloha. Na fanavaozana na fanovàna, araka izany, hatreto aloha no resaka, dia samy mbola mafy ny tolona hahatongavana aminy ary tsy miafina na amin’iza na amin’iza izany. Tsy hoe tsy mbola vita fotsiny, araka ny heno miverimberina matetika, araka izany, ilay tolona tokony iraisan’ny mpiray tanindrazana rehetra na manohana an’iza izy na manohana an’iza fa mbola mafy koa! Mafy ny tolona! Mahaliana koa nefa anatin’izany ny hoe hiainga aiza ny baikom-pitolomana hahatafavoaka izay tolona izay? Ho avy amin’ny filohan’ny fanavaozana ve? Ho avy amin’ny FFKM ve? Ho avy amin’ireo Raiamandreny ara-drazana ve? Ho avy amin’iza?
J. Mirija