airtel

Edito

24-févr-2023

Edito

Maha very fanahy

Sample post image

Maha very fanahy mbola velona, araka ny famaritan’ny Ntaolo malagasy azy, na koa hoe maha valalanina tanteraka ankehitriny ny mandinika an’ity raharaham-pirenena eto amintsika ity.

24-févr-2023

Maha te hametra-panontaniana mivantana any amin’ireo mpitondra mihitsy hoe tonga saina ve izy ireo fa isan’ireo faran’izay mahantra eto ambonin’ity planeta tany ity ny firenena izay tantanin’izy ireo? Azon’ireo tomponandraikitra isan-tokony ve ny dikan’izany atao hoe vahoaka sahirana? Eo ireo vahoaka malagasy tanisaina anaty ankapobeny hoe miatrika adim-piainana isan’andro, miatrika tsy fandriampahalemana mirongatra, miatrika fahaverezana asa sy tsy fisiana maro ary fahasahiranana tsy voatanisa fa eo koa ireo malagasy izay nidonam-pahavoazana vokatry ny fandalovan’ireo rivodoza nifanesy teto amin’ny firenena amina distrika maro. Ny sasany mbola tsy tafarina akory ny takaitra navelan’i Batsirai dia efa namely mafy azy indray i Chineso. Namely koa avy eo I Freddy. Ivavahana mafy I Elena mba tsy ho tonga aty. Dia gaga ianao, hoy ny fitenin’ny minisitra heverina ho malaza indrindra ao anatin’ity fitondrana ity izay, fa dia mbola mahita fihetsiketsehana maro samihafa any anaty filankevitra ihany ny filoham-pirenena sy praiminisitra ary ireo mpikambana ao anaty governemanta. Tsy sanatria fahotana akory ilay manao fitafy mampiavaka ny faritra niavian’ny tena fa tena tokony hireharehana tokoa aza fa tena hoe mbola tokony ho laniana amin’izany ve ny fotoana manoloana izao zava-misy mianjady amin’ny mpiray tanindrazana izay heverina fa tokony ho laharam-pahamehana ambonin’ny laharam-pahamehana izao? Miverina “zero” mihitsy ny saina, hoy ny fomba fitenin’ilay namana mpamakafaka iray izay, rehefa mahita sy maheno filazam-baovao amin’ny fahitalavitra, onjapeo, gazety mpiseho isan’andro ianao fa mbola tsy maintsy niandrasana ny fahatongavan’ny filoham-pirenena tany an-toerana vao nahazo nozaraina ireo fanampiana tany an-toerana na dia tonga ara-potoana aza. Atao inona fotsiny izany ireo tomponandraikitra eny ifotony? Sa dia tena tsy misy fotoana azo hampitsaharana azy mihitsy tokoa ilay hoe werawera tsy maintsy mandeha na dia efa lasa kolontsaina latsa-paka hatrany anaty tsinay mainty toy ny inona aza?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

ary ny fitondrana mihitsy no mandrehitra toa manao izay hampiakatra ny maripana,

Card image cap
27-mars-2024

heveriny fa mahomby hatrany ny fandrangarangana miaramila sy fitaovam-piadiana,

Card image cap