tany ity firenentsika ity, araka ny tombana nataon’ny banky iraisampirenena hatrany moa izany. Mampalahelo ny maheno na mahita fa fadiranovana ny 80,7%n’ny malagasy ary mahaonena indrindra koa ny maheno fa faha 124 amin’ny firenena miisa 125 isika amin’ny resaka fanjarian-tsakafo. Isan’ireo tarehimarika nanahirana tato ho ato daholo izany ary tena madilo ny sofina maheno azy, raha mbola tena malagasy ihany koa. Resaka fahantrana ara-nofo moa raha ireo voatanisa ireo fa rehefa mahita ny fifandrangitana, indrindra, ara-politika eny amin’ny fiarahamonina eny tato ho ato ihany koa dia tena miharihary izany amin’izao fotoana izao fa tena lasa mahantra indrindra ara-soatoavina koa ilay fiarahamonina malagasy nalaza ho tompon’ny fihavanana. Hatramin’ireo malagasy monina any am-pitan-dranomasina no tonga amin’ilay fomba fiteny hoe misintona lakolosy. Ao ny milaza fa “tokony hivarotra finday sy miala amin’ny FB ireo malagasy milaza ho mahantra ao Madagasikara ireo!”. Mampametra-panontaniana ihany hoe olona mipetraka any am-pitandranomasina, any amina firenen-dehibe, efa mba lasa lavitra amin’ny tekinolojia ve dia tsy hahatakatra hoe efa isan’ny fitaovam-piasana hivelomana tsy an’asa tsy vitsy ihany anie amin’izao fotoana izao izany tambazotran-tserasera izany ary efa fitaovana hifanakalozam-bola isan’ny tena miasa hatrany ambanivohitra koa izany finday izany? Ho hita indray moa anio izay hitranga ery amin’ny HCC ery sy ny mety ho tohiny. Ny tohiny eo amin’ny lafiny politika eo ihany fa ny tohiny ara-piarahamonina no enga anie ka ho diso ny fanahiana maro taratra eny rehetra eny amin’izao fotoana izao!
J. Mirija
Mitombo ny handalan’ny mpitondra, ka ny ratsy sy tsy nety nokianina mafy sy nentina
ny fisian’ny atao hoe mpanohitra sy mpanohana fitondràna. Isan’ny fanontaniana mipetraka ankehitriny