airtel

Edito

28-août-2023

Mahantra loatra

Mahantra ara-toekarena.

Sample post image

Mahantra ara-tsosialy. Ireo no tena matetika hahazoana fanazavana avy amin’ireo manam-pahaizana sy mpandinika rehefa miresaka

28-août-2023

ny fiainam-pirenena eto amin’ity Madagasikara ity. Tsy ireo ihany anefa no iaraha-mahalala fa mahantra sy mampahantra an’ity firenena ity ka mahatonga azy ho isan’ireo firenena miisa 5 mahantra indrindra eto ambonin’ny tany hatramin’izao fa saika ny sehatra misy rehetra mihitsy. Mahantra ny tontolon’ny fanabeazana. Mitotongana miha ankilabao hatrany hatrany. Tsy hiverenana intsony ireny seho tamin’ny bakalorea tamin’ity taona ity ireny. Ny oniversitem-panjakana izay efa vakian’ireo mpampianatra mpikaroka mihitsy hoe toa efa vonoina an-kolaka mihitsy izy izany? Fanontaniana lalina mipetraka ankehitriny rehefa azon’ny zaza malagasy ny mari-pahaiza ny hoe azo ilay marika fa ny fahaizana ve tena azo? Mifanindran-dalana amin’izay dia ny hoe mahantra koa ny ara-tsaina satria ireo kolontsaina nanamarika ny antsoina hoe fiizina na “identité” maha malagasy ny malagasy dia tsy hita taratra loatra intsony any anatin’ireo hetsika samihafa natao hitarafana izany. Ny fampisehoana an-kalamanjana lasa hifampikitihana ny faritra saropady amin’ny vatan’olombelona eny imasom-bahoaka. Mibosesika manafika eto rahateo moa ny hira sy dihy vahiny manindrahindra azy ireny. Hatramin’ny sarimihetsika sy sarimiaina aza efa manafika toy izany koa ny kolontsaina tatsinanana toy ny an’ny japoney sy sinoa fa tsy mionona amin’ny an’ny tandrefana toy ny frantsay sy amerikanina intsony. Hatramin’ny fanajana raiamandreny any anaty fitateram-bahoaka efa tena tsy tazana intsony. Ny zandriolona indray no miandry ho arahabain’ny zokiolona. Hahagaga ve raha mbola toy ireny koa ny zava-nisy teny Mahamasina teny ny zoma teo raha hanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny lalaon’ny nosy isika? Iza moa no notarafin’ny taty ambany? Misy ilay fitenenana hoe ny ohatra dia avy any ambony. Iza no hamerina amin’ny laoniny ny fiarahamonina anaty soatoavina naha hendry atsika hatramin’izay ary rahoviana izany no mety hiverina indray? Enga anie ny vahaolana mba tena hisy hanatontosa sy hahita fa efa mahantra loatra isika!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Adihevitra be eo amin’ny tontolo politika eto Madagasikara ankehitriny ity tsy

Card image cap
24-juil-2024

fa tena miasa ny Filoham-pirenena, ka ny zavatra tsy tokony hataony aza toa savihiny ho anjara asany.

Card image cap