airtel

Edito

26-mai-2023

Edito

Manabarabara daholo !

Sample post image

Asa moa hoe nanao ahoana izao ny lalam-pirenena faha 13 ao na amin’ny mbola tokony hanaovana politika sa tsy tokony hanaovana intsony araka ny fampanantenan’ny filoham-pirenena.

26-mai-2023

Ny tanànan-dalao tokony handraisana ny lalaon’ny nosy nampanantenaina fa tokony ho vita amin’ny fomba fiasa TGV aloha izao io iaraha-mahita fa na tamin’ny hafainganam-pandeha 2CV aza tsy tontosa mihitsy fa dia mionona amin’izay zava-misy eto Antananarivo eto ihany izany aloha. Mbola tsy misy mponin’ny renivohitr’ity nosy ity mitaingina teleferika koa hatreto ary na ireo fotodrafitrasa goavana nolalaina hanindriana ny tsy vitan’ny hafa tao anatin’ny 60 taona toy ny Tanamasoandro sy Flyover aza mbola mijanona ho nofy toy ny nanofisana azy nandritry ny propagandy ihany hatreto. Herintaona mahery kely tsy hifaranan’ny fotoam-piasan’ny filoham-pirenena vao nolazaina fa io Miami ao Toamasina amin’izao fotoana io kay hafa mihitsy ny heviny fa tsy hoe ho ampitoviana amin’ny Miami ao Etazonia. Manabarabara daholo an’ilay vahoaka ankehitriny izay te hanabarabara azy. Fanimpiriny nifamezivezy teo anivon’ny JIRAMA moa ny fanazavana hoe «Tapitra ny delestazy fa mitohy ny fahatapahan-jiro.» na koa hoe «tapitra ny fahatapahan-jiro fa mitohy ny delestazy.»? Izao indray dia hoe hanangana sampan-draharaha hitaky trosa. Hitaky trosa amin’ireo mpanjifa zara faha misitraka herinaratra anatin’ny ora 3 ao anatin’ny tontolo andro ve? Asa hoe inona indray no manaraka!?

J. Mirija


 

Dans la même rubrique

03-mai-2024

amin’ny ambarany fa fahombiazany eo anatrehan’ny faharavan’ny firenena miseho amin’ny endriny maro ?

Card image cap
02-mai-2024

tsy mety mandroso mba tsy hilazana hoe tsy maintsy mihemotra hatrany aloha hatreto no miseho.

Card image cap