airtel

Edito

21-mars-2023

Edito

Manararao-paty…

Sample post image

Miha atomotra ihany ny androm-pifidianana satria efa taom-pifidianana ity 2023 diavintsika ity. Samy miomana sy mikofokofoka ireo rehetra mieritreritra ny hirotsaka hofidiana ho Filoham-pirenena,

21-mars-2023

fa ny endrika isehoany no mety tsy mitovy. Efa mandeha mihitsy fangalarana depara amin’ny endriny samihafa. Ny resaka lalàna rahateo moa manjavozavo, ka dia toa betsaka no toa efa manararaotra tahaka ny banga mihomehy alina. Ny fampiasana ny fitaovam-panjakana, ny volam-panjakana, ny fahefam-panjakana,… ho amin’ny tombotsoa politika moa dia efa tsy lazaina intsony fa efa tena miharihary matetika. Eny fa zavatra tokony hosahanin’ny sehatra tsy miankina aza toa japiana sy hoentina mampalaza tena amin’ny politika. Betsaka ny endrika tsy fanarahan-dalàna mandeha, kanefa vao aty amin’ny ankatoky ny fifidianana ka atao mahagaga ve raha manao izay saim-patany sy izay maha diavolona ny sainy rehefa mahazo fitondrana. Tsy te hiala eo na tsy mahomby aza, eny fa toa ny hambo-po diso toerana no hanaovana sorona ny firenena manontolo sy ny vahoaka efa hananika ny 30 tapitrisa. Rehefa avy nampahantraina noho ny tsy fahaiza-mitantana, malemy sy mitoreo, tapi-dalan-kaleha ny vahoaka, dia toa ezahina tezaina amin’ny lalan-diso, ambakaina amin’ny variraiventy, tolotolorana hanina tsy mahavita taona. Sanatria toa tanteraka ilay lalan-tsaina hoe: rehefa tiana hangina sy hipetraka fa tsy hitroatra ireo vahoaka ireo dia na atao maty voky na atao maty noana? Anjaran’ny rehetra no misaina sy maka lesona amin’izay mba tsy ho in-droa mahita ny maizina tahaka ny tain’omby natsentsina an-davabary, mba hifarana hatreo amin’izay ny fanararaotam-paty sy fambotriana ity firenena ity ka hiara-hijery ny soa iombonana amin’izay.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap