Santionany amin’ny fitarainan’ny vahoaka malagasy ankehitriny manoloana ny tsy fahazakany intsony ny zava-misy eto amin’ity firenena ity izany izao na dia misy miharo vazivazy zaritenany aza ny sasany. Dia misy milaza moa hoe na dia eo aza izany fitarainana rehetra izany dia mahagaga fa rehefa andro fety na tsy fiasana, toy ny hita ny alatsinain’ny Paska teo, fa tena nitohana ny fifamoivoizana amin’iny lalam-pirenena faha 7 iny sy ireo lalana ahafahana misinda kely ny renivohitra. Toa manam-bola hitsangatsanganana sy hirevena foana ilay malagasy, hoy ny fanontaniana mipetraka anefa? Dia lasa saina moa ianao hoe fa nahoana tokoa ary? Satria ve izay ilay hoe efa zatra miaina anaty tsy fanjariana isika, hoy ny mpandraharaha sasany? Nanomboka ny taona 2009 no nankaty io kolontsainan’ny revy io no tena hita ho nisongadina. Nahazo fitondrana rahateo moa ny mpanafana lanonana fahiny ka toa tsy mahagaga tokoa angamba! Samy mahatsapa ihany, indrindra, rehefa tafiditra anatiny, hoy ny fitenin’ny tanora izay ny tsirairay, rehefa hanontaniana dia samy saika mamaly hoe mba hadinodino kely indray aloha ny sorisori-piainana an-davan’andro. Aleo manala azy, hoy ny sasany! Aleo aloha manala kely! Maro ireo fomba fiteny heno eny rehetra eny fa rehefa fehezina ilay tena anaty tsikalam-piheritreretan’ny tsirairay taratra ao anatin’ilay fomba fanao mihitsy dia naman’ny efa manary dia izany sisa Ramalagasy amin’izao fotoana izao. Toy ny efa tsy mahita intsony izay azo atao ka enga anie ho avy ilay maraina anatin’izao taom-pifidianana izao!
J. Mirija
Mbola hendry tokoa angamba no isan’ny azo ilazana azy! Mbola hendry sa reraka?
Mbola mijanona ho resaky ny moana sy ny marenina ny adihevitra politika.