airtel

Edito

05-oct-2022

Edito

Mandady ny trambo

Sample post image

Miha mifanipaka tahaka ny atsimo sy avaratra ny fomba fijery ara-politika eto, indrindra fa ny lafiny fiomanana sy fiatrehana ny fifidianana.

05-oct-2022

Raha milaza ny Fanjakana fa manga ny lanitra, tsy mitanila fa tamin’ny alalan’ny fanajana ny lalàna no nametrahana ireo mpikambana amin’ny rafitra mpikarakara sy mpitsara, dia miakatra kosa ny ahiahin’ireo ivelan’ny fitondrana. Tsy ny mandeha no tanjona, fa ny fahafantarana hoe: aiza marina ny lalan-kizorana, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny Antoko lehibe iray izay naneho fa na tsy manam-bola ny rafitra mpikaraka ny fifidianana na misy zavatra tiana hafenina matoa rindram-baiko lany andro sy efa hita ny lesoka no hasisika ampiasaina. Ny Filoham-panjakana vonjimaika iray teo aloha indray naneho, fa tsy manana havaly amin’ny resa-bola hikarakarana fifidianana ny vaomiera mpikarakara, manahirana ny miheritreritra azy kanefa tokony ho laharam-pahamehana. Mampatahotra ve ny miteny izany? hoy ny fanehoan-kevitra. Tsy nihambahambara naneho fa laingalainga sy petatoko no betsaka, ka korontana no mety hiafarany. Rehefa manao an’io fomba fanaony io ny fitondrana, be kajikajy any ambadika hampandaniana ny kandidany, tsy vonona hanitsy ny resaka lalàna, fa mieritreritra fa azy foana ny fahefana amin’ny resaka fifidianana dia lasa mivadika ho sakoroka, raha ny fanehoan-kevitr’io filoham-panjakana teo aloha. Rehefa tsy hanao ny asa ho asa masina ny Fanjakana, dia mety hiafara amin’ny korontana io, hoy hatrany izy. Mbola aty amin’ny herintaona latsaka tsy hahatongavan’ny fifidianana, dia efa izany ny sary politika miseho ka hoentina aiza marina ary izany ity firenena ity. Mbola mitoetra hatrany ny hoe: “izahay aloha izao no eto…?”. Mandady anefa ny trambo, ahiana ho tafalatsaka ao anatin’ny rombo politika indray isika raha tsy mitandrina. Ny andaniny mihevitra fa izy no eo, efa nanao bontolo sy tsindry bokotra ary nampiseho sandry sy basy hatramin’izay ka mbola tsy azo tahinina amin’izay tiany. Ny mpanao politika iray sy roa mety efa manana ny toetrany na hitsahina any an-tampon-doha aza mandefitra foana, saingy aoka tsy hohadinoina fa efa misy hafa manomboka misoko miadana toa hanao raha ao ka sao ho diso fijery eo. Ny valalabemandry rahateo efa maro no leo sy tofoka.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap
22-avril-2024

amin’ity firenena ity ary «Rafahafahana»? tsaroana, 7 taona lasa teo izay,

Card image cap