airtel

Edito

18-août-2023

Edito

Mandrimandry hafahafa

Sample post image

Mandrimandry hafahafa indray ankehitriny ny rivotra politika eto amin’ny tanàna na dia eo aza ny fanehoan-kevitra samihafa

18-août-2023

izay toa heno ho feno fanahiana avy amin’ireo herivelona misy rehetra eto amin’ity nosy Madagasikara ity. Hatramin’ny depiote voafidy tamin’ny lokon’ny fitondrana avy no manahy rombo raha sanatria tsy ho tanteraka ny fifanatonana sy fifampiresahan’ny andaniny sy ny ankilany. Samy miaiky ireo rehetra mandinika ny zava-misy amin’izao fotoana izao fa mamaivay ny toe-draharaha. Miotrika, hoy ny fitenintsika malagasy azy izay. Sarotra ny tsy hino fa tsy mivangongo any am-parahatoky ny olompirenena izay niharany avy ny tifitra variraraka nahazo ny vahoakan’Ikongo, ny kabeson’ny mpanjaka fahiny nanamarika tantaram-paritra sasany nidila fotsiny izao tsy hita mazava hoe nahoana ka nilana dingana famerenana azy any amin’ny tena nihaviany indray, ny volamena niondrana an-tsokosoko maro izay any amin’ny firenen-kafa vao hita, ireo tsy hita koa moa tsy ferana ary mampametra-panontaniana hoe firy kilao no tena fitambarany? Ny ankilany efa manangam-bovona fa tsy hanaiky intsony na dia ny filatsahan-kofidianana vazaha eto amin’ny firenena fotsiny aza. Ny andaniny koa mitandroka fa tsy maintsy milatsaka ny azy ireo satria ra malagasy no mikorina ao anatiny. Andrasana moa izay ho vokatry ny fampihaonan’ireo raiamandreny ara-panahy ireo mpisehatra politika manerana ny nosy amin’ity herinandro ity ary tena hivavahana mafy mba hitondra vokatsoa hampitony tanteraka amin’izay ny toe-draharaha eto amin’ity firenena ity satria dia efa hiara-mahita izao fa na ny raharaha 1947 na ny 1972 na ny 1991, 2002, 2009 hatramin’ny 2018 dia samy tsy nisy nitondra vokantsoa ho an’ny firenena avokoa satria vao mainka fivakivakisan’ny fiarahamonina sy ny mpiara-belona no naterany fa tsy firaisankinan’ny tia tanindrazana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Adihevitra be eo amin’ny tontolo politika eto Madagasikara ankehitriny ity tsy

Card image cap
24-juil-2024

fa tena miasa ny Filoham-pirenena, ka ny zavatra tsy tokony hataony aza toa savihiny ho anjara asany.

Card image cap