airtel

Edito

08-nov-2022

Edito

Mandroso maizina

Sample post image

Tsikaritra ho miseho lany ankehitriny ny fanehoan-kevitra toa miendrika fandrangitana na andeha atao fampanenoana lakolosy amin’ilay fitenin’ny tanora angamba,

08-nov-2022

raha politika eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao no resahana. Ny mahita mpiaradia na mpanaradia ilay fitondrana manao izany, heverina fa tsy dia tokony haha tohina na mbola azo leferina ihany fa ny mahita ilay hoe olobe ao anatin’ilay fitondrana mihitsy mety ho mpanolontsaina manokana io, mety ho tomponandraikitra eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika, mety ho tomponandraikitra hafa koa saingy dia tena hoe ao anatin’izao fitondrana izao anefa dia hitanao fa voasarika anao izany koa any anaty tambazotran-tserasera isan-karazany any. Isan’ny voambolana mateti-piverina moa ilay hoe “marary fo”. Hisy harary fo indray, hono, izao mahita an’ireto filoham-pirenena mivady tanora sy mavitrika mahavita azy ireto, ohatra. Dia tena hampandroso ity firenena ity na hampivoatra ilay firenena malagasy ve izao ny fitenenan-javatra toy izany. Ny sasany indray dia mampitandrina ny mpiara-belona mihitsy mba tsy harary fa sao sanatria ho lasa aloha, hono, ka tsy ahita ny fandrosoan’ity Madagasikara ity. Fandrosoana tahaka ny ahoana moa izany no antenaina amina fiarahamonina mizarazara sy samy maka ho azy toy izao. Efa tafapetraka araka ny tokony ho izy angaha ny firaisankinam-pirenena? Ny rafitra tokony hiandraikitra ny fampihavanam-pirenena aza lazain’ny mpanao politika sasany avy amin’ny andaniny sy ankilany fa tsy ilaina? Taiza teto ambonin’ny tany no mbola nisy firenena mandroso tao anaty fizarazarana? Ny hita miharihary aloha hatreto dia mandroso maizina ara-bakiteny ilay firenena ary ny fahazavana tanteraka nampanantenaina ho tonga ao anaty 6 na 8 volana aza dia efa niarahan’ny mpanara-baovao naheno vao tsy ela indray fa tsy ho foana raha tsy afaka 5 taona.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

fitondrana ity amin’izao fotoam-piasana faharoa nidirany izao.

Card image cap
18-avril-2024

ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.

Card image cap