airtel

Edito

10-févr-2023

Edito

Mangaina lava

Sample post image

Eto dia samy mangaina lava eto foana izany aloha isika mianakavy. Asa hoe mandra-pahoviana? Lasan-dry dakoma

10-févr-2023

ny volamena dia mitsiriritra mitazana avy lavitra aty fotsiny hoe eeeh! Mba avereno moa e! Miporitsaka fotsiny avy any tsy hita hoe ahoana ny volamena 73,5 kilao dia samy mimenomenona sy mifanontany eo fotsiny hoe fa nahoana dia vita. Tsy misy tohiny intsony. Tsy hay hoe nanao ahoana no tena niafaran’iny raharaha iny. Iny indray izao omaly hampitsiriritin’olona ny safira mitenti-bidy 189 miliara be izao izay hoe hita teto amin’ny tanin’ny tena saingy efa lasan-drizareo any Dobay any hatramin’ny taona 2019, izany hoe, 4 taona lasa izay dia mangaina sy mitelin-drora eto fotsiny sisa no azo atao rehefa avy nihanahana tsy nahita hanakanana ilay harena tsy hivoaka ny tanin’ny tena mba hanasoavana ny vahoaka. Dia miara-mangaina lava eto isika mianakavy, andeha atao hoe isika, satria ny 99%n’ny malagasy, hono izao, no tafalatsaka anaty fahasahiranana, hoy ilay antoko politika iray izay. Soa, hono, fa ho avy indray Rajao rehefa avy nitsena ny Barea isika. Izany izao no tena hita ho ezahana atao maha seriny ny olompirenena eto nefa any ambadika any ireny iaraha-mahita ireny fa mandeha foana ny mandeha saingy averina hatrany hoe isika mianakavy ny atao mihanahana ohatry ny gana sy mangaina lava eto, 4 taona mahery izay!

J. Mirija


 

Dans la même rubrique

03-mai-2024

amin’ny ambarany fa fahombiazany eo anatrehan’ny faharavan’ny firenena miseho amin’ny endriny maro ?

Card image cap
02-mai-2024

tsy mety mandroso mba tsy hilazana hoe tsy maintsy mihemotra hatrany aloha hatreto no miseho.

Card image cap