airtel

Edito

25-oct-2023

Mankany, mankany!

Mankany, mankany io, hoy ilay

Sample post image

solombavambahoaka sady mpamoron-kira politika nitety

25-oct-2023

vanim-potoana maro teto amin’ity firenena ity izay. Hatramin’ireo mpandala fihavanana, toy ny filoha lefitry ny CFM teo aloha, aza miaiky fa “ratsy be ny sary” hita ao anatin’izao toe-draharaham-pirenena miha mandroso mankany, mankany izao. Mankany, mankany amin’ny fifanatonana, fifampidinihina, fifamelana, fampihavanana, vahaolana sy izay mety azo antoka fa hahasoa ity firenena ity marina sy ny vahoaka manontolo ao aminy ve nefa sa mankany, mankany amin’ny fiziriziriana amin’ny fiheveran’ny andaniny na ny ankilany anjambany fa any amin’ny iray amin’izy ireo ihany ny vahoaka? Tsy ferana tokoa ny hoe misy ampahany amin’ireo olompirenena tononina lava ho vahoaka ireo no mankafy manokana ny maha olombelona ireo mpisehatra amin’ny adilahy politika efa mipoaka ankehitriny saingy ny azo antoka indrindra aloha dia ny hoe isam-bahoaka mila misakafo araka ny tokony ho izy ireo, na ny andaniny io na ny ankilany. Te hanatsara ny ao an-tokantranony avy ao. Te hanome fiainana tsaratsara kokoa ny ankohonany na ny taranany izay vao miheritreritra hoe ity no ho fidiako, raha ho resy lahatra amin’izany. Firenena isan’ny farany mahantra rahateo isika ary lojikam-piainan’ny zanak’olombelona izany rehetra izany, raha ny mari-drefy sy fandinihana malazan’ilay mpikaroka tsy zoviana amin’ireo nandia ambaratonga fototra rehetra dia ny “Telozoron’i Maslow” na “Piramide de Maslow” izany. Ny andaniny moa izany eto izao mikiry ny amin’ny hanatontosana fifidianana. Ny ankilany kosa mamerina hatrany fa aleo aloha, fara faha keliny, diovina ny tokontany. Andeha, hoy izy ireo, hitady marimaritra iraisana fa tsy mety ity mamela teratany vahiny mbola ho kandida ity. Ny mpitondra fivavahana kosa izany, manoloana izany rehetra izany, dia hanandra-bavaka ho an’ity firenena ity, mba samy hilatsahan’ny fanahy masina, angamba, ireo andaniny sy ankilany ireo ka hahita ihany izay azo hifanarana ao anatin’izany rehetra izany ka tsy ho sanatria hamono vahoaka ilay hoe lalana mankany, mankany!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

olom-pirenena zary mety mahalala tsianjery

Card image cap
15-mai-2025

kanefa dia ireny niaraha-nahita ireny fa hipoka olona ny kianja goavambe eto Antananarivo

Card image cap