airtel

Edito

10-mai-2023

Edito

Manomboka miakatra ny soratra

Sample post image

Mihazakazaka ny toe-draharaham-pirenena eto an-toerana, ary tsikaritra ho tsy antsika samirery intsony fa efa tena miditra an-tsehatra ny vahiny.

10-mai-2023

Kisendrasendra ve ny fanambarana samihafa ataon’ny sehatra iraisam-pirenena tato ho ato? Ny tsikaritra dia toa efa tsy fomba firesaka diplaomatika intsony indraindray fa toa efa misy miendrika tehamaina mivaivay sy fanamelohana mivantana? Mandeha ny firesaka toa sady mamoaka no mampiditra, raha tsy hilaza an’ilay adihevitra momba ny hirosoana amin’ny tetezamita hanomanana fifidianana milamina sy madio na tsia. Ireny iaraha-mahita sy maheno ireny ny fanambarana, fa ny fandrotsaham-bola hikarakarana fifidianana filoham-pirenena aza amin’izao fotoana izao, mbola baraingo ny an’ny mpiara-miombon’antoka, raha toa ka mampihena izany amin’ny antsasany mitaha ny teo aloha ny Fanjakana. Manamafy ny krizy ara-bola sy ara-pitantanana misy eto ireny. Mbola sahy hiteny ve ny fitondrana ankehitriny fa tsy anaty krizy amin’izao, ary na lazaina aza fa tsy tokony hafangaro ny krizy ara-toekarena sy sosialy eo anatrehan’ny toe-draharaha politika dia moa tsy ireny ve no làlana mizotra mankany amin’ny mety ho fipoahana? Eo ny fandrangarangana hery lava, filazana ho mpandresy, fitenenana ho mbola mahazaka vahoaka, ary misy olon’ny fitondrana sahy milaza fa mahatoky 500% ny hahalanian’ny volomboasary indray aza fa ny hahazoana azy fihodinana voalohany sisa no tanjona. Tena izay ve hitranga sa efa maneno sahona ny zava-drehetra? Raha tarafina amin’izao, efa feno ny tondro sy ny fambara rehetra fa ho ratsy ny tantana ho an’ny volomboasary, toa efa mandeha ny fandemena amin’ny endriny maro na avy ato anatiny na avy any ivelany. Betsaka no mahita fa tsy misy zavatra antenaina amin’izao intsony, fa dia ny fahataperan’ny fe-potoana iasana sisa andrasana. Raha horonan-tsary dia efa karazan’ny efa miakatra ny soratra raha tarafina amin’ny zava-miseho ara-politika, ara-diplaomatika, ara-jeopolitika, ny lafiny sosialy,… fa karazana tsipaky ny miala aina sisa ny mety ho fizirizirina sy na sanatria fikasana hampiasa hery. Tsy misy rahateo ny mandrakizay ary tsy misy hiala maina, ary tsy hisy hiasa maina, hoy ny Raiamandreny am-panahy izay. Ny ampitso no hitsara!
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap