airtel

Edito

25-mars-2024

Manomboka miova ny sary !

Manomboka miova ny rivotra politika eto amin’ny tany sy ny Fanjakana.

Sample post image

Azo lazaina ho tsy tongatonga ho azy ireny kabarin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena ireny, na eo amin’ny vanim-potoana isehoany,

25-mars-2024

na ny zavatra niseho nialohan’izany. Vain’afo mipetraka eo ambony lohan’ny mpitondra io mpanao politika iray io, izay tsikaritra ho tsy tena hitany izay hanaovana azy. Haongana tsy ho filohan’andrim-panjakana tahaka ny efa natao tao amin’ny Antenimierandoholona ve rehefa tsy levon’ny vavonin’ny fitondrana ankehitriny ny fomba fijery ara-politika nasehony ? Eo amin’ny fifandanjan-kery ara-politika eo anivon’ny Antenimierampirenena aloha dia efa fambara ratsy ho an’ny fitondrana ankehitriny ny tsy nahavitana nanongana ireo mpikamban’ny birao maharitra nahitana filoha lefitra roa sy kestora iray, izay tsy voaongana tamin’ny jona 2023. Henjana ny onja entiny ao anatin’ny fitondrana rehefa ny olana nahalala ny ativilany izay no mivoaka aty ivelany sy manapasaka ireo tsy fanjariana maro samihafa tao anatin’ny fotoana naharitra. Ireny tratry ny vaky bantsilana ireny fa niaro fitaka ny ambara fa revolisionina nentina nanabadoana ny vahoaka 15 taona lasa, ary tsy izao fahantrana sy sarintsarim-pahalalahana izao mihitsy no nampanantenaina tamin’izany. Tsy finiavana hisintona lakolosy fa ny inona tamin’ireo antony nanonganam-panjakana tamin’ny 2009 tokoa moa no tsy vao mainka miha zava-doza amin’izao fotoana izao ? Moa tsy ambony ambany ny toekarena, sosialy, vidim-piainana, fandriampahalemana, diplaomasia, fampiasam-bola vahiny,… Ny zava-doza amin’izao fitondrana izao dia ny fiziriziriana tsy ho diso sy ny mbola fidinginan-drambo eo anatrehan’ny tsy fahombiazana. Mihevi-tena ho tompon’I Madagasikara ambongadiny, ka na efa manitsaka hatrany an-tampon-doha ny vahoaka Malagasy aza dia mihevi-tena tsy ho tratry ny aloka. Efa betsaka izay nanangam-bovona sy nihevi-tena ho mafy izay, fa niarahan’ny rehetra nahita ny tantara, koa ny ampitso no hitsara!
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Ny noheverina fa kandidam-panjakana taloha any amin’ny faritra sasany lasa kandida tena lohalaharana amin’ireo

Card image cap
14-mai-2024

Manahirana amin’ny fanaovana politika eto Madagasikara ny fisian’ireo antsoina hoe : «

Card image cap