airtel

Edito

06-mars-2026

Mba ho Hadihevitra

fa tsy adihevitra intsony!

Sample post image

Nahazatra sy nahaliana izany

06-mars-2026

atao hoe mpanara-baovao izany, indrindra, nanomboka teo amin'ny taona 2002 teo ny antsoina hoe adihevitra na fampiadiana hevitra. Hevitra tsy mitovy foana ao anatin'izany no nampifandonana ary ny vokany hita hatreto aloha dia an-kavitsiana angamba, raha nisy, ny hoe iny tokoa fa tamin'ny alalan'izany hevitra avy nampiadiana na nampifandonana izany no lasa vahaolana teto amin'ity firenena ity. Porofo goavana mamintina ny fahamarinan'izany hatramin'izao dia ny hoe mbola tsy mety tafavoaka anaty fahantrana hatramin'izao ilay firenena. Maro ireo faritra tena sahirana. Niha nahatra foana ilay firenena. Lasa lany fotoana mifanenjika sy mifamantsika ny isan-tsehatra sy isam-pirehana. Nanjaka hatrany ny fitadiavan-tseza sy fiadian-toerana na koa hoe fikatsahana tombontsoa manokana. Hatramin'izao tsy hita taratra, araka ilay nambaran'ny filohan'ny fanavaozana, hoe iza amin'ireo mifaninana milaza azy ho tena nitolona na manohana ny fitondrana ireo, amin'ny ankapobeny, no tena mikatsaka ny fanarenana haingana ity firenena ity? Nandany andro tamin'ny fifampitsikerana sy fifanenjehana isika fa tsy mba nandany andro tamin'ny tena fitadiavana ny vahaolana marina sahaza ity firenena ity. Lany andro tamin'ny adihevitra na hevitra nampiadiana fa tsy mba nandany andro tamin'ny hadihevitra na hevitra nangadiana. Oviana tokoa no mba nisy hoe fandinihana lalina ny hevitra isan-tokony nifamoivoy teto amin'ity firenena ity ka nitohy tamin'ny famadihana izany ho asa lasa nampandroso ilay firenena? Na hevitra avy amina hery manohana fitondrana io na manohitra na afovoany na fikambanana na fiarahamonim-pirenena, oviana isika no mba afaka tena hangady marina ny mety mampitombina ireny hevitra na sosokevitra samihafa ireny? Mila mbola hiandrasana fikaonandoham-pirenena ve izany anatin'izao firenena mbola latsaka anaty lalina izao? Fara-faha ratsiny, araka izany, izay no irariana, dia ny hoe mba hadihevitra no hanjaka any amin'izany fikaonandoham-pirenena izany fa tsy ho adihevitra intsony.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

08-avril-2026

ara-jeopolitika eran-tany

Card image cap
07-avril-2026

eto amin’ity firenena ity fa nisy

Card image cap