airtel

Edito

25-mars-2026

Mba ho taratry

ny fanavaozana !

Sample post image

Mitodika eny amin’ny lapam-panjakana

25-mars-2026

Iavoloha ny mason’ny mpanara-baovao rehetra anio ! Samy miandry izay ho endriky ny governemanta vaovao nialohvana toe-javatra mivaivay. Betsaka ny tsindry mivantana na ankolaka natao ny Filoham-panjakana, nandeha ny propagandy samihafa teny amin’ny tambajotran-tserasera na avy amina vondron’olona na fikambanana, tao ny olona maniry ny ho minisitra nilaza mivantana teny amin’ny tambajotra fa kandida ho minisitra izy,… Dia samy naneho ny paikadiny teny ! Betsaka ny zavatra mety manahirana toy ny hoe : izay tsy tafaverina ho minisitra ve izany dia misy tokoa ny mieritreritra fa hamoaka dosie na tsiambaratelom-panjakana ? Izay tsy tafaverina ve izany dia hitsangana ho fahavalon’ny governemanta sy ny Fanjakana toy ilay manamboninahitra ambony iray nesorina tamin’ny andraikiny ? Tsy finiavana hanenjika na hanaratsy olona, ary betsaka ihany koa ny finiavana hampisavorovoro eny amin’ny tambajotran-tserasera, ka tsy handraraka menaka na lasantsy amin’ny afo efa mirehitra isika, fa mirary sy misintona ny sain’ny mpitondra amin’ny fomba sy fiasa amin’ny fanendrena mba : tsy hiainga amin’ny kajikajy na kitsindritsindry politika na avy amina vondrona ara-toekarena fa tena mason-tsivana ho an’ny fanavotam-pirenena sy fanavaozana, tsy hanaiky hanaovana takalon’aina na fandrahonana avy etsy sy eroa, tsy hanao bizina ny fametrahana olona,… Manana ny safidy malalaka sy izay heveriny fa mety sy hitondra ny firenena any amin’ny tsara kokoa ny Filoha sy Praiminisitra, ka dia samy miandry sy mitazana ny rehetra hoe hanao ahoana satria tena samy tena hoe anatin’ny tsiambaratelo tanteraka ny mety ho firafitry ny governemanta vaovao anio. Dia samy miandry e !
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Manahirana dia manahirana

Card image cap
16-avril-2026

dia tsy maintsy ezaka iombonana foana

Card image cap