mandrafitra azy, ny mpanohitra mbola vao mieritreritra dia mety efa voasakana izay mieritreritra hikitikitika ny fitondrana, ny fisamborana sy ny fonja efa mitanatana vava miandry ny olon’ny fanoherana,… Midika fa tsy misy manelingelina ny heverin’ny mpitondra fa asa fampandrosoana tiany hapetraka, tsy afaka ny andeha hanohintohina izay tian’ny mpitondra atao ny fanoherana. Malalaka sy afaka manao izay danin’ny kibony ny volomboasary hiasa sy hampandroso, ary tsy teny tsy tokony hivoaka akory ny hoe : avelao ny mpitondra hiasa. Io miharihary io anefa fa arakaraka ny fanaovana ampihimamba ny fahefana no vao mainka tsy mampahomby ny fitantanana sy tsy maha marin-toerana ny Firenena : toekarena, fihariana, sosialy, vidim-piainana, angovo sy herinaratra,… Ny omaly tsy miova, ary vao mainka mitombo ny olana sy ny fahantrana. Mbola mitafy henatra ihany ve eo anatrehan’ny fanilihana lava ny tsy fahombiazana amin’ny mpitondra teo aloha ? Lazaina fa nanarina ny tsy fahombiazana hatramin’izay ka izay ve no tena marina kanefa ny kely mba vitan’ny hafa aza no nopotehina. Mandrak’ity ny androany mbola fanamarinan-tena fa tsy mba hahay hanetry tena sy hanaja tena manoloana ny efa tsy fahombiazana. Tratry ny bemanaiky tokoa angamba ny vahoaka Malagasy ka manaiky hisotro ny rano tsy tiana, saingy na ho ela na ho haingana tsy hifoha ny valalabemandry.
Toky R
eo amin’ny firenentsika. Tena misy eto famotehan’olona mivantana na ankolaka,