airtel

Edito

24-avril-2023

Edito

Mbola azo ahitsy tsara

Sample post image

Raha ny resaka natao teto izay dia efa misimisy ihany.Fa dia izao iaraha-mahita izao hoe mahantra ny firenena, miha mahantra ny vahoaka Malagasy.

24-avril-2023

Mahantra ara-tsaina, mahantra ara-batana, mahantra ara-pitaovana, ary ny tena zava-doza dia mahantra ara-panahy ihany koa.Manomboka very tanteraka ilay hoe ny fanahy no olona, ny fanahy no maha olona. Fahendrena Malagasy, mitady ho angano sisa, Malagasy lasa mifanebaka, mifanala baraka, mifandrafy, mifamoaka teny mahery tsy voahevitra, mifangalatra, mifampisoloky, mifamono, Malagasy mahavita manapa-doha Malagasy, Malagasy mahavita manaisotra ny voamason’ny zanaka Malagasy…Mitady ho lasa fanampin-tsakafon’ny tanora Malagasy ny rongony mahery vaika, toa mibosesika miditra eto, tsy hay hoe fa nahoana. Indrisy anefa fa dia mbola mandraka lasantsy amin’ny afo efa manomboka mirehitra ihany ireto antsoina hoe manampahefana, mpitondrana fanjakana…mamoaka teny tsy voahevitra, mampiseho fihetsika tsy maontina, lasa ohatra ratsy ho an’ny vahoaka.Ahoana moa no hiheverana hisiana fampandrosoana eto raha tonga dia misy ampahana vahoaka ahilika , na atoka-monina, na atao maty henjika vao mba mihetsika kely. Inona no fivoarana azo antenaina raha ny mitarika no tsy mahalala akory ny anjara andraikiny sy lasa ingo manao matso ? Azo heverina ve ny hipetrahan’ny fifampatokisana sy fifanajana raha don-tandroka sy fanaovana ramatahora foana no atao isaky ny misy mba mampiseho hevitra na foma fiasa hafa ankoatra ny anao ? Tsy mbola tara raha tonga saina dia manitsy ny dia, ho aiza moa fa samy ho eto foana ihany, na mitsoaka aza raha sanatria raikitra ny savorovoro, tsy maintsy mbola hiverina eto ihany.Ka tsy aleo ve alamina dieny izao, tsy mba mahafinaritra ve ny miaina anaty tontolo milamina, ao anatin’ny fifanajana.Ny hevitra anie tsy hitovy eny foana fa ny tanjona ho amin’ny fivoarana sy fandrosoana kosa tokony itambarana ny fanekena azy e. Fanovana ho amin’ny tsara anie ilay noresahana fa tsy fanovana mankany an-davaka e !
RTT
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

heveriny fa mahomby hatrany ny fandrangarangana miaramila sy fitaovam-piadiana,

Card image cap
26-mars-2024

niorina tamin’ny fanonganam-panjakana 2009, raha izay no azo ilazana azy.

Card image cap