finiavana hitondra rivo-baovao sy fanavaoazana. Zava-dehibe ny eritreritra sy ny tanjona ho amin’ny tsara kokoa, saingy maro ihany koa ireo lafin-javatra mipetraka ho sakana. Mbola betsaka ny sedra sy tsindry toa sarotra dinganina sy ialana, mitaky fahasahiana, ilàna mokon-doha,… Anisan’ny porofo mivaingana ny sehatra stratejika izay eo am-pelantanan’ny vondrona ara-toekarena vahiny matanjaka. Betsaka ireo asa sy tetikasa stratejika toa mbola ny vahiny no hitangirihana famatsiam-vola,… eny fa na ny resaka fahavitan-tena ara-tsakafo aza moa mbola olana goavana ho antsika kanefa isika manana tany midadasika azo hamokarana, manana ny ranomasina misy ireo harena anaty rano,… Indrisy fa tsy tena mbola sitrahantsika, fa toa ny vahina na firenen-kafa aza no mitavana ireny harena ireny. Isika toa mitady ho difotra na inian’ny sasany hokofonina ao anaty olana savorovo sosialy. Misy ny mikotrika sy manao ny fomba rehetra hanakorontanana ny Firenena, hany ka mety ny politika no mampisara-bazana, dia ny vahoaka tsy manan-tsiny no atao mahita faisana. Asa mba naterak’olombelona ihany ve ireo sahy mamboly horohoro sy manao vono olona mahatsiravina, ankoatra ny fakana an-keriny zaza , izay sesilany na eo aza ny finiavana hifehy sy hampitsahatra azy tanteraka. Toa misy ny minia manao izay fomba rehetra tsy hananan’ny Malagasy anjara masoandro. Mila firaisam-po sy firaisan-tsaina, ary tena fahavonona hanova, hanavao,… izay mety misy ny sakantsakana na sedra goavana, saingy tsy manan-tsafidy ny hionona sy hanaiky isika fa izao no anjara, ka hosemporina lava ao anaty fahantrana.
Toky R