Andrasana ho lasa maditra toy ny tamin’ny 1972 na 1991 na 2002 na 2009 sy 2018 ve sanatria raha noraisina fa ditram-bahoaka ireny tranga tsy azo nolalovana tao anatin’ny tanteran’ity firenena ity ireny? Sanatria ho rangitina ho any amin’izany indray ve izy io? Milaza ireo tomponandraikitra eto amin’ny firenena ankehitriny fa tsy misy krizy eto. Maninona ary no miantso fitoniana? Raha firenena tan-dalàna tokoa na mandala ny fahamarinana sy mangarahara na demokrasia sy fahalalahana ary ity firenena ity, maninona no tsy nisy nipiaka ny resaka nifanaovan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC tamin’ireo kandida teny Ambohidahy omaly? Ny herivelona rehetra ivelan’ny fitondram-panjakana izao no efa samy mahita fa lasa vazaha frantsay ilay filoham-pirenena farany teo izay mbola neken’ny HCC ihany ny filatsahan-kofidiany fanindroany. Maninona no tsy sahy miseho izay tomponandraiki-pitsarana nanome azy ny sertifika maha malagasy indray? Voalaza fa tsy manara-dalàna ilay famindram-pahefana any amin’ny governemanta hitantanana an’ity firenena ity raha tokony noraisin’ny filohan’ny antenimieran-doholona, rehefa jerena ny andininy faha 46. Tsy mifanaraka amin’ny andininy faha 52 koa satria hita fa salama tsara tsy marofy ilay filohan’ny lapa maitso ka noho izany tokony hametra-pialana izy fara-faha ratsiny rehefa tsy handray toerana ihany. Ny resaka hoe tomponandraikitra iray ao amin’ny fiadidiana ny repoblika vadin’ny tomponandraikitra iray ao amin’ny HCC na koa ny filohan’ny CENI vadina minisitra teo aloha vao niala tsy ela akory moa manginy fotsiny. Tena tsy misy tokony ho amboarina sy ahitsy dien’izao lazaina fa mbola hendry tokoa izao ny malagasy ve izany rehetra izany sa mbola hitohy tsy haka lesona tamin’ireo tantara efa nanimba ity firenena ity hatrizay hatrany?
J. Mirija
filoham-pirenena namarana ny 5 taona vita teo sy ny nolazain’ny HCC