airtel

Edito

12-mai-2022

Edito

Mbola hitohy

Sample post image

Dia mbola hitohy ihany izany izy ity rehefa jerena ny fanomezana fanazavana isan-karazany avy amin’ireo

12-mai-2022

tompon’andraikim-panjakana manoloana ny heverin’ny maro ho teny nisilifatra navoakan’ny seraseran’izao fitondrana izao teny anivon’ireo haino aman-jery sy tambazotra isan-karazany. Mbola hitohy, ary vao omaly indray mihitsy no nisehoan’izany indray, ny fiheverana hatrany fa izao fitondrana izao no hany nanomboka io asa heveriny ho fampandrosoana rehetra io na io fotodrafitrasa mitohy rehetra io. Nohazavaina indray koa iny ny mikasika ilay resaka sekoly 510 isa. Asa izay azo ilazana azy hoe nisolo vaika ny ankalana ve ny minisitry ny fanabeazana raha nandray an-tanana ny fiarovana ny filoham-pirenena tao anatin’izy iny sa tena nanao sorona ny tenany mihitsy fa dia nomeny aloha izany iny ny fanazavana heveriny ho afaka handresen-dahatra ny mpanara-baovao? Ho hita eo indray ny tohiny ho amin’ny anio sy ny manaraka rehetra. Efa nisy mpanao politika sy mpisehatra maro ihany namantana ny resaka tamin’ny alalan’ny filazana hoe misy ny atao hoe fitohizan’asa na “continuité de l’Etat”. Fanetren-tena ihany koa ny milaza hoe notohizanay ny vitan’ny teo aloha fa tsy fahotana mahafaty na mampihetry voninahitra. Mety hitsaran’ny hafa anao aza izany ao aoriana kely ao hoe tena olon’ny fihavanana sy feno fanajana ireo nodimbiasiny toerana ity fitondrana ankehitriny ity fa tsy mba nanao tsinontsinona ny vitan’ny hafa. Indrisy anefa fa ny mifanohitra amin’izany rehetra izany aloha hatreto no hita ho mitranga ary na ny mpanara-baovao aza manao fanontaniana miharo sarinteny sy vazivazy zarintenany mihitsy hoe ity fitondrana ity irery izany no nanao zavatra teto amin’ity firenena ity tao anatin’ny 60 taona fa ngazana no teto nialohan’ny niakarany teo amin’ny fitondrana.

J. Mirija

 

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap
22-avril-2024

amin’ity firenena ity ary «Rafahafahana»? tsaroana, 7 taona lasa teo izay,

Card image cap