airtel

Edito

09-mai-2023

Edito

Mbola ho avotra tokoa ve ?

Sample post image

Manomboka lasa fanontanian’ireo heverina ho tonga saina na mahira-tsaina, izay antsoina amin’ny teny vahiny malaza ankehitriny hoe «éclairé»

09-mai-2023

na koa hoe «nohazavaina» amin’izao fotoana izao ny hoe «mety mbola ho avotra ihany ve ity firenena ity?». Tena lasa ny saina hoe mbola ho avotra tokoa ve? Amin’ny maha mpamakafaka sy voatery mandinika isan’andro ny fivoaran’ilay raharaham-pirenena dia mivarahontsana ihany rehefa maheno ny fanazavan’ireo mpahaitoekarena na antoko politika ela nihetezana momba izany atao hoe «Eléphant blanc» tamin’ny fotoan’androny izany. Eo koa ny mikasika ny hoe PAS na «Plan d’ajustement structurel», izay voalaza fa rafitra napetraka tamin’ny repoblika faharoa hizoran’ireo orinasam-panjakana ho lasa orinasa tsy miankina na «privatisé», izay ny ankamaroany moa izany rehefa mihaino ireo fitanisana dia lasana teratany vahiny. JIRAMA sisa zany ambiny misy tafajanona kely amin’izao fotoana izao fa ny Air Madagascar koa iny efa niova hatramin’ny anarana. Dia mifoha tampoka ny resaky r’Itompokolahy James Ratsima tamin’ny 3 na 4 taona lasa izay hoe «mbola hisy hipetrahan’ny tongontsika ve eto amin’ity firenena ity afaka 10 taona?». Ananan’ny orinasa «tsy miankina» trosa miezinezina izao ny orinasa naorina faizany ho mpamatsy angovo ny firenena manontolo, izay hany tokana andrandraina sisa, araka ny voalaza teo. Ny fitondrana koa ity izany hoe miandry ny famatsiana, mba tsy hilazana hoe trosa vaovao any amin’ny banky iraisampirenena. Ny filoham-pirenena nefa nirehareha fony vao hiditra teo amin’ny fitondrana fa hanampy an’i Kaomoro ny firenena ho tantanany. Tsy ho tafavoaka, hoy izy, isika tamin’izay na afaka 60 taona aza raha mbola miankin-doha amin’ny mpamatsy vola mahazatra kanefa dia iza amin’ireo anaty fitondrana sy mpiaradia aminy moa izao no tsy mirehareha rehefa misy hoe famatsiam-bola avy any ivelany tonga na trosa io na fanomezana. Adino ve sa iniana atao adinon’ny vahoaka malagasy mihitsy fa ity antsoina ankehitriny hoe FEC na «Facilité élargie de crédit» ity anie ka ilay nantsoina fahiny hoe «Initiative pour les pays pauvres très endettés», famonjena ireo firenena bokan-trosa? Tokony ireharehana ve izany ny mahazo izany sa hahamenatra? Enga anie mba hanavotra ihany tokoa aloha fa dia ny tantara moa tsy maintsy hitsara!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap