airtel

Edito

20-févr-2023

Edito

Mbola lavitra !

Sample post image

Mbola lavitra an’ity Madagasikara malalantsika ity ny atao hoe fandrosoana. Amin’alahelo lehibe moa ny filazana izany ho an’ny tia tanindrazana kanefa rehefa mijery ilay fiainana sy fivelomana hany sisa mba misy eto amin’ity

20-févr-2023

firenena ity ary ireo karazan-tsakafon-tsaina mba omen’ny mpitondra sy ny mpanao politika eto ireo olompirenena dia tena tsy azo ihodivirana io teny io. Mbola lavitra! Mbola lavitry ny afo ny kitay eo amin’ny lafiny demokrasia raha ny eto no lazaina. Olona hanao tsingerintaona sy hifampiarahaba tratry ny taona aza asaina helingelenin’ny “mpitandro filaminana”. Ny fifidianana rehetra hatramin’izay ka hatramin’izao tsy nisy izay tsy voalaza ho nisy halabato na ny iray aza. Dia tezitra be isika malagasy rehefa ampahatsiahivina hoe afrikanina anie isika kanefa ny fomba fiaina sy fanao politika eto tena hita ho toy ny isika mihitsy aza no filamatra mampahantra an’i Afrika. Fiteny nanomboka tamin’ny 2018 ny hoe tsy mbola nisy tao anatin’ny 60 taona ary betsaka ny tranga teto tena hoe izay mihitsy. Tsy mbola nisy tany Eoropa na Asia na Aoseania na Amerika izany hoe volamena mihidy ao amin’ny biraona minisitra sy praiminisitra dia mivadika vy. Aty Afrika, eto Madagasikara ihany no misy an’izany. Toy izany koa ny hoe volamena 70kg mahery no hiaraha-maheno fa mivoaka an-tsokosoko eto amin’ny firenena dia samy mody mimenomenona sy manome ny samy variana fotsiny dia izay no vita. Teto no efa nisy an’izany olom-boafidy hita sary nitanjaka niparitaka tamin’ny tambazotran-tserasera izany fa dia tsy nahatsapa tena nametra-pialana na niala tsiny, minisitry nanana tantara manahirana tamina mpanakanto fa dia ny olompirenena mananatra azy indray no toy ny adala, ny raharaha “panier garnis”, “écran plat”, be dia be saingy averina foana hoe mbola tsy misy taitra hitady fika hitsaboana ilay fiarahamonina araka ny fitenin’ny tanora aloha isika hatreto. Ny tena mampivarahontsana moa izao dia ity tsy fandriampahalemana ity satria dia tena toy ny manapaka lohan’akoho izao ny hanapahana malagasy sasany lohan’olona ary ara-bakiteny io. Mihoatra lavitra na hoe “pire” noho ny fanaon’ireo afrikanina neverintsika ho mpanao toy izany mihitsy izao no vitan’ny sasany eto fa mbola lavitry ny fampandrosoana sy tena hoe fikatsahana izay hahavelona ny vahoaka malagasy kosa.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap