airtel

Edito

30-mars-2023

Edito

Mbola lavitry ny fiombonana

Sample post image

Novakivakiana ny firaisankina. Tsy hoe tsy fidiny io fa fanahy iniana. Ny fizarazarana izay hanjakana. Nataon’ny mpanjanaka io ho fitondrana.

30-mars-2023

Nandova izany ary Ramalagasy. Tsy nahay nandova tsara fa nandova ratsy. Ity tanindrazana lazaina fa masina ity, ireo mpanota fady indray no manjaka ety.” Tononkiran’i zokibe Dama ao amin’ny tarika Mahaleo izany efa elaela ihany izany fa rehefa mijery ny fiarahamonina mbola iainantsika ankehitriny tokoa isika dia tsikaritra ho tena vao mainka lalim-paka izany atao hoe fisaraham-bazana na tsy firaisankinan’ny samy malagasy izany amin’izao fotoana izao. Tsy misy mifampatoky intsony fa na misy aza angamba dia vitsy dia vitsy sisa. Misondrotra isan’alina izao ny vidim-bary saingy manipy “gant” na arotanana sisa, hoy ny fitenenana izay, ireo mpiaro ny zon’ny mpanjifa satria resy lahatra fa avy amin’ireo mpivarotra ireo ihany ilay fiakarana fa tsy nisy antony hafa. Isika samy eto ihany no mifanararaotra sy mifanambaka. Dia toy izany koa hatrany amin’ny lafiny kolontsaina aty. Taiza no mbola nisy fomba amam-panao malagasy tsy nifanaovana teny ierana izany na hoe ny maro an’isa indray no mandefitra? Io izao ny taom-baovao malagasy fa mbola samy manana ny azy hatrany tao anatin’izay 10 taona mahery niforonan’ilay teny izay. Na ny tantaram-pirenena aza samy milaza ho manana ny marina azy daholo ireo mpandinika sy mpikaroka. Isan’izany iny resaka 29 martsa 1947 vao notsarovantsika omaly iny. Ny raharaha Ratsimandrava koa toy izany. Misy ny petrakevitra voarakitra anaty boky siantifika sasany mihitsy fa efa maty tanatina birao iray izany kolonely nanamarika ny tantaran’i Madagasikara izany vao mody nanaovana sary tifitra teo Ambohijatovo. Matetika mihitsy aza moa isika no maheno hoe nodisoina ny tantaram-pirenena. Hatraty amin’ny fanatanjahantena koa misy endrika fampisarahana mitranga toy izany satria dia nindraindraina tanaty Barea, ohatra, ny tarehimarika tian’ny filoham-pirenena indrindra dia heno sesilany indray ny tsikera fa be loatra ny politika atsabaka ao anatin’ilay ekipam-pirenena. Dia saika tsikaritra ho toy izany avokoa ny sehatra rehetra saingy ny fehiny izany dia ny hoe mbola lavitry ny fiombonana isika hatreto.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap