airtel

Edito

14-avril-2023

Edito

Mbola voalatsa ihany !

Sample post image

Arakaraky ny maha am-potomoty ny faharavan’ny fanjakana iray no maha adaladala ny lalàna ao aminy, hoy mpanao politika sady mpanao lahabolana am-bava grika na mpisolovava talohan’i Jesoa Kristy, Cicéron, izay.

14-avril-2023

Mampametra-panontaniana izany fehezanteny izany amin’izao taonjato iainantsika izao hoe lojika tokoa ve raha natao hangatahana alalana ny fidinana an-dalambe hanehoana tsy fahafaliana amina zava-mitranga anaty firenena iray? Rehefa haneho tsy fahafaliana amin’ny ray aman-dreninao ve ianao na atao hoe ao an-tokantrano fotsiny aza, raha raisina amina fiarahamonina kelikely dia mila mangataka alalana? Andeha raisina hoe tsy lalàna fa fepetra noraisina hisorohana fifandonana tokoa ankehitriny ilay hoe tsy fahazoana mivorivory an-kalamanjana rehefa tsy mpitondra fanjakana. Anaty taom-pifidianana ve anefa dia tsy tokony hisy fampielezankevitra mialohan’ny fotoana na koa hoe fanetsehana an-kalalahana ny eny ifotony, raha toa ka firenena demokratika ihany isika? Raha mba hita miharihary mipaika isam-baravarana araka ny voizin’ny mpitondra sy ny ekipany ankehitriny tokoa moa ilay fehezanteny nankalazain-drizareo tato ho ato hoe «Mandroso i Madagasikara.» maninona? Na ny mpahaitoekarena aza amin’izao valalanina misaina ilay hoe niakatra 5,7% ny harinkarenantsika. Tarehimarika avy aiza io? Inona avy ny tondro nahafahana namaritra izany? Ny lalana manerana ny nosy aza tsy mbola hita tao anatin’ny 60 taona, hoy ny fomba fiteny izay, ny kaikaika manoloana ny faharatsiany. Tsy mila mandeha lavitra ianao fa eto an-drenivohitra ihany dia mahita ohatra be dia be mitady hampizotra ity Antananarivo renivohitra ity ho lasa kaominina ambanivohitra satria miha mitombo ny lalana vita tara miha lasa lalan-tany. «andeha ho any Marovoay aho…», hoy ny hiran’ny tarika mahaleo taloha hitady fivelomana tsaratsara kokoa. Izany hoe filamatry ny fandrosoana izay i Marovoay tamin’ny fotoan’androny. Fa amin’izao fotoana hanoratana izao ianao raha midina any amin’izany Marovoay izany, afaka firy kilaometatra vao mahita lalana vita tara na «goudron». Ny fiainan’ilay vahoaka malagasy izany efa io iaraha-mahita io fa tena mampitaraina ny ankamaroan’ny olompirenena ary tsy misy izay tsy mitaraina amin’izany izao. Ny fahalalahana maneho hevitra koa miha mampihorohoro. Ny zava-misy anefa dia io fa mbola voalatsa ihany amin’izany karazana fanambarana maha lasa saina hatramin’ireo manam-pahaizana izany ihany ilay vahoaka malagasy. Dia mbola hiziriziry amin’ny lalana sy hevi-diso araka ny nambaran’ilay antoko politika iray izay ihany ve izany isika ity?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

fitondrana ity amin’izao fotoam-piasana faharoa nidirany izao.

Card image cap
18-avril-2024

ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.

Card image cap