airtel

Edito

25-nov-2026

Miandry fihatsaràna!

Fandrosoana, fivoarana,

Sample post image

fiovàna, fanovàna, fanorenana,

25-nov-2026

fanarenana, fanavaozana sy ny mifandraika amin’izany rehetra izany izao no andrasan’ity Madagasikara sy vahoaka malagasy ity fatratra sy efa hatramin’ny ela. Raha fehezina dia hoe miandry fihatsaràna ny mponina rehetra eto amin’ity firenena ity! Ny tantaram-pirenena no heverina fa manaporofo izany ary inoana rahateo fa sarotra ho an’ny maha olombelona mihitsy ny handà ny filàna izany hatsaràna maro voalaza rehetra izany. Ny andrasana hihatsàra voalohany izany, satria firenena no resaka, dia heverina fa ny fomba fanaovana politika eto amin’ity firenena ity. Tsiahivina hatrany moa tsinona fa fitantanan-draharaham-piarahamonina, tanàna, firenena mihitsy no namaritana fototra ny atao hoe politika ary mijanona hoe mahafaobe na «universelle», hoy ny teny vahiny, izay famaritana fototra grika izay hatramin’ny androany. Mila mihatsara voalohany izany aloha izay fanaovana politika izay. Mila miova mihitsy aza moa, hoy ireo heverina ho mpanao politika anatin’ireo antoko politika filamatra hatramin’ny repoblika faharoa teto amin’ity firenena ity, izany fanaovana politika eto Madagasikara ankehitriny izany. Rehefa miverina mijery ny tranga teny anivon’ny antenimieram-pirenena farany teo fotsiny nefa dia na ny ankamaroan’ireo vahoaka nosokajiana ho madinika fa tsy mandinika hatramin’izay teto amin’ity firenena ity aza dia nahita hoe «Ireo indray ireto!». «Mandeha indray ny mandeha!», hoy ny sasany. Niverina nahatsiaro ny raharaha malety tamin’ny 8 taona lasa sy ny tohiny taty aoriana daholo indray dia hoe toy izany foana izany io antenimiera iray eny Tsimbazaza io. Rehefa hoe antenimiera teto amin’ity firenena ity mihitsy moa dia saika nitrangàna tantara nanahirana teo amin’ny hasin’ny atao hoe fanaovana politika teto amin’ity firenena ity avokoa. Niaraha-nahita ny fomba nanonganana ny filohan’ny lapa maitso, ny Pr Honoré Rakotomanana, tamin’ny fotoan’andro, sy ny valin’ny an’ny nanao azy ihany avy eo taty aoriana, rehefa nandimby nitondra izany lapa izany koa ny filoha Rivo Rakotovao. Miandry fihatsaràna ny sosialim-bahoaka, ny toekarem-pirenena, ny fanabeazam-pirenena sy ny sehatra rehetra eto amin’ity firenena ity saingy inona tokoa moa izany no fihatsaràna azo antenaina ho an’izany rehetra izany rehefa tsy ny fanaovana politika eto mihitsy no mba miha tsara ary manova tanteraka ny fomba fanaovany politika amin’izay koa ireo mpanao politika zatra nanao politika maloto hatramin’izay na mahazo fitondràna na tsia?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-nov-2026

no manintona saim-bahoaka amin’izao

Card image cap