Asa hoe rahoviana indray no tena hanomboka izy ity! Raha ny eto Antananarivo renivohitra aloha no ambara hatreto dia tazana ho efa mandeha tsikelikely ihany ny asa fanadiovana madinidinika eny an’arabe eny, izay tarihin’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra. Fanadiovana ny tanàna ara-bakiteny no resaka hatreo fa iaraha-mahalala ihany koa amin’izao fotoana izao fa isaky ny akatoka fotoan-dehibe tahaka izao no misy hatrany tato anatin’ity fitondràna ity ny fetin’ny tranga mamoahenatra na «festival des scandales», hoy isika. Teo ny resaka fanapoizinana sy fahapoizinana ara-tsakafo. Izao indray dia io ny raharaha Boeing 777 miisa 5 misy ifandraisany amin’ny firenena iranianina. Mifandoto anarana ao anatiny ao ny avy ao amin’ny fiadidiana ny repoblika sy ny minisiteran’ny fitaterana ka dia mitazana hatreto ny ambiny hoe ahoana indray izany no handaminan-drizareo ny raharahan-tokantranon’izy mianakavy ao? Miandry mpamafa an’iny loto be vaovao iny koa satria efa lasa izay moa izany no mahazatra na tamin’ny raharaha «Panier garni» io na «Bonbon sucette» na «écran plat» na volamena lasa vy na inona na inona. Ny ahita tomponandraiki-panjakàna na minisitra io na praiminitra, indrindra, moa fa hoe filoham-pirenena, hametra-pialàna amin’ny nahim-pony amin’ny firenena toy itony rehefa misy tsy fahombiazana na henatra ho an’ilay firenena izany dia iaraha-mahalala fa nofy raha tahiany ka hisy! Ny hany tazanina sy mahazatra hatreto dia ny hoe rahoviana indray iny no ho voafafa? Tsy misy azo atao sy hany sisa mety hanaitra ny vahoaka afa-tsy izay. Miandry mpamafa!
J. Mirija