no ahafahana manavotra ity firenena iombonana ity! Iza eto amin’ny firenena no afaka hiombona hatreto? Fanontaniana goavana mipetraka io. Raha ny hita tao anatin’ny 6 volana latsaka kely aloha izany dia tsy resaka TIM sy TGV intsony izy ity na firehana atsy sy aroa fa tena hoe ahoana tokoa no ahafahana mitondra fanovàna eto? Ahoana no ahafahana mitondra fanavaozana, raha ilaina izany? Rotika an-taonany maro ny firenena. Nisy otrikady marolafy nampivarina azy an-jato taonany mihitsy hatramin’ny nidirana tanaty fanjanahantany tao. Miverina hita ho mivoy indray ankehitriny ny resaka tanindrana sy afovoan-tany. Miverina amin’ny otrikady nanjaka tamin’ny andron’ny MDRM sy PADESM izany isika io nefa hoe efa 66 taona no nahazo fahaleovantena. 70 taona no naha repoblika. Mbola lavitra anefa ny ezaka, raha ny hita hatramin’izao aloha. Mila ezaka iombonana!
J. Mirija