airtel

Edito

04-août-2022

Edito

Miandry ny tena vahaolana

Sample post image

Iraisana na tonga amin’ny famaritan’ny frantsay hoe “unanime” amin’izao fotoana izao ny fahitana fa tsy mandeha araka ny tokony ho izy intsony amin’izao fotoana izao ny fitantanana ny raharaham-pirenena.

04-août-2022

Samy mahatsapa izany ny rehetra na mpanohitra na hafa ivelan’ny fitondrana, eny, ao anaty fitondrana. Mihoatra ny 81% ny malagasy miaina anaty fahantrana lalina. Misy olana fototra efa fantatra izao fa goavana amin’ny famonoana fihariana maro dia ny lafiny angovo izany, raha tsy hiresaka afa-tsy ny herinaratra sy solika fotsiny isika. Tatatataina foana ny vahaolana mba hiantefa any amin’ny mpitondra. Samy efa niteny sy namelabelatra momba ny Tsimiroro sy Bemolanga daholo ny ankolafin-kery maro. Teo koa ireo niresaka momba ny angovo azo avy amin’ny rivotra sy ny herin’ny masoandro. Setriny heno avy amin’ireo mpitondra anefa dia saika ny hoe “efa miheritreritra” hatrany na koa hoe “efa ho atao”. Aiza ihany anefa ilay tena fanatanterahana azy? inona no sakany tsy hampiasana ireo araka ny sosokevitr’ireo tekinisianina? Sanatrian’izany ve ilay sehatra na hoe “domaine” mihitsy no tsy voafehin’ireo tomponandraikitra, na ilay tomponandraikitra voalohany io na ireo mpiara-miasa aminy? Aiza ihany ilay tena vahaolana no toa vahaolana paomady hatrany no aroso? Tsy manao afa-tsy ny mamono afo hatreto ilay fitondrana, hoy ny mpandinika fiarahamonina izay. Hamono afo foana ve izany no atao eto mandra-pahatapitry ny taom-piasana? Iny izao nahamay be indray ny toe-draharaha teny Itaosy teny dia niteny indray ny minisitra omaly. ohatran’ilay nitranga talohan’iny ihany. Ny valalabemandry moa afaka ny ho aiza fa dia miandry ny tena vahaolana hatrany. Rahoviana izay no hitranga? Enga anie mba tsy hoe asa angamba atsy ho atsy, toy ilay hira malaza indray no valiny!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy fotoanan’ny fanomezan-tsiny intsony izao, hoy ny fehezan-teny matetika fambaran’ny filoham-pirenena

Card image cap