vaovao, 6 andro taorian’ny nampitsaharana ny governemanta. Samy manana ny fijeriny sy ny fahitany ny Praiminisitra vaovao ny olom-pirenena na amin’ny endrika ivelany na io na ny mety vokatra amin’ny ho fitantanany. Tahaka ny teo aloha ihany, mandeha ny fitsingolohohana ny lasa hoe taiza sy nanao inona ka ao ny mampahatsiahy ny toerana aman’andraikitra. Tsy mifankaiza loatra amin’ny natao tamin’ilay Praiminisitra vao nesorina teo, hany ka dia mandeha ny fanasokajiana samihafa hoe : « forongony » io, tsy nahasahy nanenjika an-dranona sy ranona io ka isan’ny misy mitanisailay mpandraharaha matanjaka migadra atsy amin’ny Nosy Maurice. Betsaka ihany koa no milaza fa tena olona mahitsy io, nahasahy nibeda ilay mpandraharaha malaza tamin’ny andron’ny mangamanga, nahasahy nandray fanapahan-kevitra goavana tamin’ny fiainana noho ny fahintsiana,… Ny lasa izany fa ny tohiny no tena andrasan’ny besinimaro eo anatrehan’ny fanamby goavana amin’ny fanarenana ny Firenena : toakerana, politika, sosialy, fampananan’asa, diplaomasia, ny tsindry iraisam-pirenena,… Tsy afaka ny hitamatama satria rehefa misy fiovana governemanta tahaka izao dia matetika toa manomboka miainga any amin’ny aotra indray, indrindra fa misolo ny ankamaroan’ireo Minisitra. Any no tena hitodihan’ny sain’ny maro indray hanao ahoana ! Ekena fa misy ny tsy mahavita sy tokony hesorina, fa tao ihany koa no tena nahavita sy nanao dingana lehibe. Fahita foana rahateo rehefa misy fiovana sy fanovana mpitantana, dia saika lany amin’ny fanoloana olona ny roa hatramin’ny 3 volana. Tsy afaka mitamatama anefa, mandeha ny fotoana, andrasana ny tohiny, dia andrasana mazava ho azy ny vokatra !
Toky R