nilana ny fanaovana izany. Samy niezaka nifandokandoka teo ireo nandao toerana sy mpandimby toerana. Samy naneho fifampitsofan-drano ihany koa! Tao ireo niezaka naneho an-kabary fa tena havanana tokoa tamin’ny toerana nanendrena azy avy. Tena tekinisianina fa tsy lainga akory ireo diplaoma nipoapoaka marobe notanisaina tamin’ny fampahafantarana ireo minisitra tsirairay. Nisy koa tao ny vao vantany vao vita mihitsy izay fifamindram-pahefana izay dia hoe nisantatra fidinana ifotony izany satria anaty 100 andro monja dia efa misy tanjona natao ho tratrarina. Niaraha-nahita izay 5 taona izay. Fivarinan’ny firenena no mamintina azy ary heverina fa tsy ilaina loatra intsony angamba ny manao litania ireo tombana rehetra mifandraika amin’izany mba maha menatra ihany amin’ny maha olompirenena, indrindra moa fa hoe olompirenena tia tanindrazana. Miandry vokatra indray izany aloha. Miandry fahagagana angamba no marimarina kokoa.
J. Mirija
kanefa dia ireny niaraha-nahita ireny fa hipoka olona ny kianja goavambe eto Antananarivo