airtel

Edito

14-nov-2022

Edito

Miandry vokatra tokoa

Sample post image

! Tsy ampy kolontsaim-bokatra, hono, ireo mpitantana sasany eo anivon’ny JIRAMA, hoy ny fanazavan’ireo lehiben’izy ireo ny sabotsy teo.

14-nov-2022

Variana loatra ao anaty birao ao foana. Tsy ny namita iraka no zava-dehibe fa ny nahavita iraka, hoy ny nambaran’ny filoham-pirenena malagasy ankehitriny izay. Dia miandry vokatra tokoa moa izany hatramin’izao ilay firenena! Herintaona sisa! 4 taona izay no vita. Ny vokatra iaraha-mahalala aloha hatreto dia nitombo ny isan’ny vahoaka malagasy mahantra. Ireo efa nahantra teo dia vao mainka niha mahantra. Fadiranovana mihitsy fa tsy mahantra fotsiny intsony, hoy ny mpanara-baovao sasany izay. Efa nambara matetika foana tamin’izao fitondrana izao fa tsy vitan’ny werawera ilay mitondra firenena. Inona izany izao no vokatry ny fakana sary isaky ny mihetsika ny fidinana ifoton’ny minisitry ny tontolo iainana teo aloha, ohatra, raha toa ka mbola miha potika ihany ny tontolo iainana na koa hoe tsy mety voavaha ny olan’ny tontolo iainana eto amin’ilay firenena? Fandokandokafana ilay filoham-pirenena hatramin’izay ny hoe TGV ary dia izay foana moa no ambetin-dresak’ireo mpanaradia azy rehefa maneho hevitra. TGV ny filoham-pirenena, hono, fa ny ekipany no tsy maharaka ny hafainganam-pandehany. Iza izany no diso raha ohatra ka oharina amina ekipana baolina kitra iray, ohatra, ilay firenena? Ilay mpanafika mitondra samirery ny baolina satria hany manana hafainganam-pandeha ve sa ireo ekipa miaraka aminy tsy omena baolina intsony satria efa vitan’ilay mpanafika daholo ny asa rehetra? Asa na hena-maso na tena fikatsaham-bokatra ihany koa ny fihetsiketsehan’ireo mpikamban’ny governemanta sasany izay miezaka ny maka sary ny tenany mipitipitika eny an-kianja eny mihitsy amin’izao fotoana izao. Ny hita hatramin’izao anefa aloha dia miha tsy zakan’ny malagasy hatrany ny vidim-piainany sy ny vidin-tsoliny ary tsy mandry fahalemana sy miha simba fihariana vokatr’ity fahatapahan-jiro lavareny ity izy. Sao mba ilay stratejia na politikam-pitantanana mihitsy no mbola tsy hananan’ilay fitondrana. Ny manondrana na ilay hoe manao “scandale” moa dia efa toy ny aretin’ilay fitondrana mihitsy. Teo ny minisitra dia efa teo koa ny depiote, farany teo indray dia tena loholona mihitsy. Miandry vokatra tokoa!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap