airtel

Edito

19-mai-2023

Edito

Miara-mionona

Sample post image

Fiaraha-mionona fa tsy fiarahamonina intsony ankehitriny no hita ho miseho eto amin’ity Madagasikara ity. Miara-mionona amin’ny vidim-piainana midangana.

19-mai-2023

Miara-mionona amin’ny zotra fitateram-bahoaka manao izay tiany atao. Rehefa te hiverin-dalana dia miverina. Rehefa te hanohy dia manohy. Miara-mionona amin’ny tsy fandriampahalemana miseho lany any ambany ravinkazo rehetra any ka hatraty an-drenivohitra, eny, manamorona ireo toerana voalaza ho tokony ho maro mpitandro filaminana mihitsy aza. Somary nahagaga ihany moa ny fanontanian’ny vondrona mahasahana mpitandro filaminana iray tao anaty tambazotra tao hoe «ny vondrona « «gasy mankafy fiainana» tsy misy kil» na koa hoe tsy misy mpanaraka fa ny vondrona «gasy tia mamono tena» indray no be mpanaraka.». «ça va tsara ve isika?» na koa hoe «milamina tsara ve isika?», izay moa izany ilay fanontaniana napetrak’izy ireo. Dia gaga ihany ianao maheno izany hoe fa angaha moa rehefa miofana ho mpitandro filaminana dia tsy mba misy torohay na hoe «notion» mikasika ny resaka haitoetra na «psychologie» sy haifiarahamonina na «sociologie» mba isan’ny ampiofanana ao? Na atao hoe tsy manaraka ny vaovao eto amin’ny firenena aza ve dia tsy mba mahita ny vaovao maneran-tany isika hoe efa mba misy miresaka an’ilay Madagasikara ihany any ivelany any fa ny asongadin-drizareo dia ilay hoe Madagasikara isan’ireo firenena 5 mahantra indrindra eto ambonin’ny tany na koa hoe manodidina ny 90%n’ny mponina ao amin’ny dia mahantra avokoa? Tokony ho «ça va» ve isika, raha izany tokoa ary ny zava-misy? Mbola hitaza-potsiny an’izany ve raha tena mbola fiarahamonina ihany fa tsy fiaraha-mionona, araka ilay voalaza tany am-boalohany teo ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap