airtel

Edito

15-sept-2023

Miara-mirona ho an’ny firenena…

Tsy ny mpanohitra irery na RMDM sy

Sample post image

G5 fa hatramin’ireo firaisamonim-pirenena iray vohitra, ny SECES,

15-sept-2023

ny Andrimaso FFKM, ireo antoko politika milaza azy ho hery afovoany toy ny Fiombonana sy Natiora, ny herivelona ivelan’ny fitondrana rehetra ankehitriny no manamafy ny amin’ny tsy tokony hanekena ny firotsahan-kofidiana ho filoham-pirenena intsony ny kandida Andry Nirina Rajoelina. Na ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana aza moa hita ho toa niezaka niala bala sisa manoloana ny toe-draharaha raha nilaza omaly fa tsy anjaran’ny HCC ny manadihady fahamarinan’ny sertifika maha malagasy na “certificat de nationalité” an’ny filoham-pirenena teo aloha, Andry Rajoelina, fa rehefa feno fotsiny ny taratasy firotsahan-kofidiana dia raisina. Dia inona fotsiny izany no maha fitsarana ity andri-panjakana iray ity? Raha taratasy hosoka avy ve izany no nentin’ilay kandida teo, sanatrian’izany, ka feno dia nekena ny filatsahan-kofidiany sy sanatria fahalaniany satria hoe nahafeno dosie nefa ireo dosie hosoka? Efa samy miteny koa ireo herivelona voalaza teo ireo fa fanitsakitsahana lalàmpanorenana ny fanomezana fahefana ny praiminisitra sy governemanta raha tokony ho an’ny filohan’ny antenimieran-doholona izany ary ny andininy faha 46 no talohan’ny andinin’ny faha 52 fa dia tsy misy mpahailalàna mihitsy izany ve mivondrona anatin’ireo na ny iray aza raha ny fahitan’ny HCC azy? Mitohy manohitra ny fanitsakitsahana lalàmpanorenana moa izany ny herivelona ivelan’ny fitondrana rehetra ary ny valinteny hita eny anivon’ny fanohanana ny loko volomboasary dia ny mbola hoe raha ny fanaratsiana no naha lany dia efa lany ianareo. Efa nisy fifidianana nandeha angaha moa? Raha andeha amin’izao ihany koa aza ve izany, inona no antoka fa tsy hisy ny fitanilàny ho any amin’ny tombontsoan’ny kandidam-panjakana raha toa ka na ireo haino aman-jery sahy mitsikera ny tsy mety eto amin’ny firenena aza nosivanina teny Mahazoarivo omaly?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-sept-2023

Mbola hendry tokoa angamba no isan’ny azo ilazana azy! Mbola hendry sa reraka?

Card image cap
21-sept-2023

Mbola mijanona ho resaky ny moana sy ny marenina ny adihevitra politika.

Card image cap