ny toekarem-pirenena nopotehin'ireo inoana fa fahavalom-pirenena an-taonany maro no isan'ny atao hoe nandavo tanteraka hatreto ity firenena ity. Eo koa ny toe-draharaha politika tsy nisy vanona, na ny marimarina kokoa, ireo krizy politika nifandimby teto amin'ity firenena ity, izay narahana ady seza nifandovàn'ireo mpanao politika tsy niheritreritra ny tanindrazany sy ny vahoaka malagasy akory. Avahana manokàna kosa nefa hoe ireo mpanao politika tia tena sy tsy nijery afa-tsy ireo akamakama sy fianakaviana, hoy ny fomba fiteny. Na efa nitondra ireo na niara-nigoaka fotsiny tamin'ireo tandapa nisy hatrizay samirery ny tombontsoa niarahana tao dia samy nandray anjara tamin'ny fanimbàna ny taranaka malagasy no anarany. Miatrika ny vokatr'izany rehetra izany ankehitriny ny vahoaka malagasy manontolo, indrindra, ireo mbola eto amin'ity Madagasikara ity. Ao anatin'izany odidina na toe-draharaha rehetra izany, araka izany, izao no heverina fa tokony hanombohana ny fizahàna izay vahaolana tena mety ho an'ity firenena ity. Isan'ny fanontaniana manitikitika ihany koa ny hoe sao fandinganana an-tanan-tohatra ity adihevitra avy hatrany mikasika ny rafitra tokony hitantanana ny firenena ity? Amin'io tonga dia bahanana amina rafitra miisa 2 monja izany adihevitra izany na dia iaraha-mahalala izao aza fa nisy rafitra marobe tena malagasy ary nampahomby ny atao fiarahamonina fototra malagasy samihafa tany aloha tany. Mbola ho tohizana ve, sanatrian'izany, ny fivoriana fombafomba ihany nefa efa misy hevitra notapahana mialoha sy ho ampiharina atsy ho atsy tany ho any? Ho hita eo ny fivoarany fa dia mitarika aloha izany!
J. Mirija