airtel

Edito

31-juil-2025

Mifahatra amin’ny lainga sy fanabadoana !

Haingana be milaza fa vao mihetsika ny

Sample post image

mpanohitra dia fantatra fa jamba sy marenina eo anatrehan’ny afera

31-juil-2025

maizina ataon’ny olona eo ambany saoka ? Volamena 73kg miporitsaka, fatiolona telopolo mahery tsy tena hita izay fandraisan’andraikitra mahomby, aferana fiaramanidina goavana miisa 5lazaina fa tsy araka kanefa volabe no nandeha tao raha ny lentan’ny afera,… Sa kopaka isasahana fa sinema no betsaka ? Fanontaniana mipetraka ireny eo anatrehan’ny fomba firesaky ny mpitondra ambony eto. Izay miteny rehetra manadio tena sy manala tena, saingy toa betsaka ihany no fatoran’ny teny sy ny resaka ataony. Aiza ve ka milaza tsy ho mahafantatra anefa ampangain’ny andaniny ho nanome baiko ! Aiza ve ka milaza fa tsy mahalala an’io kanefa mivoaka ny sary fa toa efa 5 na 6 taona no toa efa mpiakama,… Ny fiarovan-tena ve moa tsy atao, fa ity fiheverana ny Malagasy ho bado sy apondra lava ka azo laingana mandrakariva ity no manafintohina. Ankoatra ny krizin’ny fahantrana, krizy ara-toekarena, krizy ara-piheverana,… dia mandalo krizy ny fahamarinana, anaty krizy ny fahintsiana,… Toa zary fototra ijoroan’ilay Fitondrana ny afera maizina, kolikoly, tsy fahaiza-mitantana, tsy fangaraharana, fanabadoana,… Marina fa misy tokoa ilay hoe : ny marina mitavozavoza tsy mahaleo ny lainga tsara lahatra, saingy mbola eo ihany koa ny hoe « Lainga marivo tototra ka helezin’ny akoho tokan’anaka ». Eo anatrehan’ny efa tsy fahombiazana mbola fandrahonana, fampihorohoroana no manjaka. Tsy lavina ny fananana hery sy tanjaka, ny vola, ny basy, ny rafitra,… saingy asa raha mba efa nandray lesona sy mba henjehin’ny eritreritra ihany na tena difotry ny tazom-pahefana, ka tsy hanao afatsy ny toton’ondry bory sy gisalahy mangala-ketsa ka ny efa manao ny tsy mety indray no avo vava. Raha mitohy anefa ny hazo, lanin’ny voalavo ny lanitra…
Toky R
 

Dans la même rubrique

10-févr-2026

atao izany izao ny mitady ny

Card image cap
09-févr-2026

Hikoha-maina aza atao mainka

Card image cap