tarafina amin'ny politika. Tsy resaka mpanohitra sy mpitondra fotsiny fa na amin'ny fombafomba fiaina sy fanaovana politika aza. Eo ny firesahana fanavaozana amin'ny endriny maro, ny fiezahana hitondra vahaolana, ny famahana ny olam-bahoaka toy ny resaka jiro sy rano izay isan'ny hisedrana ny Fanjakana ny vanim-potoanan'ny hain-tany, ny fiezahana hitady vahaolana amin'ny alalan'ny fitototoana any ivelany, ny fiezahana hanokatra fifandraisana mahomby sy miabo,... Na izany aza, betsaka ihany ny toe-javatra maneho fa misy ny mivaona, misy mampirefarefa ny fanaovana politika,... Betsaka ny toe-javatra toa manaratsy endrika ny Fitondrana izay mila ahitsy sy harenina. Indraindray toa variana any amin'ny zavatra tsy dia manao ahoana sy lany andro amin'ny resaka sy adihevitra poak'aty fa ilay tena fiainam-pirenena adino, ilay tena fijerena ny fiainan'ny Malagasy tsy dia maharototra,... satria betsaka no toa manao salobokomana sy miray petsapetsa. Asa izay tokoa angamba no tonga amin'ilay hoe ny voay tsy mifampihinana, hany ka ny volomboasary omaly lasa fanavaozana tampoka tsy lera teo. Betsaka no mety tsy dia miraharaha firy izay fanavaozana na fikaondoham-pirenena any, fa efa misoko miadana amin'ny kajy ara-pahefana, ka minia mikipy. Marina fa tsy afaka ny hifandrafy lava eto, saingy mahavalalanina ihany ilay fomba fanaovana politika eto hoe: betsaka ny minia mikipy, mieritreritra ny vahoaka ho tsy maharaka na inona na inona amin'ny politika. Ny ampitso moa no hitsara ny tsirairay sao hifanao ririnin-dasa tsy tsaroana eto?
Toky R