Noheverina fa soatoavina isan’ny nampiavaka ny fiarahamonina teto hatramin’izay anefa izany. Misy olompirenena heverina ho nahita fianarana sy avaram-pianarana malagasy aza dia sahy miteny fa aleo mifaninana fa ilay mifanampy lasa mifanambaka. Raha fara faha keliny anefa, tato anatin’ny 10 taona farany izao, dia tsy ahitana malagasy firy intsony, indrindra, aty an-drenivohitra ka mbola miaina anatin’ireo soatoavina voalaza tetsy am-piandohana ireo. Malagasy mifanambaka, malagasy mifamono an-kolaka, malagasy tsy mifaninana akory fa “mifanindry”, araka ny voambolana fahita matetika taty aoriana no matetika hita. Lafiny ara-tsosialy sy toekarena kokoa izay fa aty amin’ny resaka politika izany moa dia tena manjaka ny fifanaratsiana sy fanabadoana vahoaka amin’ny endriny maro toy ny fandikana vilana ny fampitam-baovao mivoy eny amin’ireo tambazotran-tserasera. Fandrahonana, famotehana olona, fomba fijery bontolo, fanapahan-kevitra efa tsipahin’ny maro an’isa izao mbola irosoana ihany nefa hoe demokrasia no resaka. Izany sisa no hany lanjan-tsaina iainana eto amin’ilay firenena. Miha maloto ny rivotra!
J. Mirija
kanefa dia ireny niaraha-nahita ireny fa hipoka olona ny kianja goavambe eto Antananarivo